- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Zandary roa voasazy fa nilako olona tsy nanao arotava

Ivato : Zandary roa voasazy fa nilako olona tsy nanao arotava

Roa lahy, zandary miasa etsy anivon’ny zana-tobim-paritra etsy Mandrosoa, no nandraisan’ny tomponandraikitra mpifehy azy ireo fepetra rehefa fantatra fa nihoa-pefy ary nahavita nikasin-tànana olona tsy amin’ny antony, ny alahady lasa teo. Ity farany moa izay tratran’izy ireo tsy nanao arotava. Niparitaka vetivety tao anaty tambajotra sosialy ny antso avo nataon’ny olona mahakasika ny ratra sy vono nataon’ireo tomponandraikitry ny filaminana tetsy Mandrosoa Ivato. Fikasihan-tànana izay nataon’izy ireo tamin’ny lehilahy iray izay voatazona tao amin’ny fonjakelin’ny biraon’ireo zandary. Nandray an-tànana avy hatrany ny raharaha ireo tomponandraikitry mpifehy izany zana-tobim-paritra izany, ary nanokatra avy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ny tranga.  Efa voalazan’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ombieny ombieny mantsy fa tsy natao hitehirizana jiolahy sy mpihoam-pefy tsy mpanara-dalàna ny zandarimariam-pirenena ary tsy maintsy ho faizina izay tratra manao izany. Fantatra ary tamin’ny famotorana natao tamin’ny andaniny sy ankilany fa tena « nisy tokoa ny fifampikasihan-tànana tamin’izy ireo noho ny fitenenan’ireo zandary an’io olona io, ny tsy fanaovany arotava nefa be famaliana ka izay no niteraka ny olana ». Fahadisoana arak’asa ary mety hiafara tamin’ny fanenjehana araky ny lalàna velona mihitsy, ho an’ireo mpitandro filaminana izay tomponantoka tamin’izany ratra sy vono izany. Kanefa ihany koa fandikan-dalàna etsy ankilan’izay, ny famingavingana sy famaliana manam-pahefana eo am-panaovana ny asany. Nanambara anefa ireo fianakavian’ilay rangahy niharan’ny vono fa tsy hitory saingy kosa mangataka ny mba hitsaboana ny havan’izy ireo naratra. Nanoloana ny tranga nisy moa no nandraisan’ny teo anivon’ny Fibaikoan’ny zandarimariam-pirenena isan’ambaratonga fepetra ny hanasazy ireo zandary roa lahy tomponantoka tamin’izany, noho ny fitondran-tena tsy mendrika nasehoan’izy ireo. Etsy andanin’izay anefa dia tsy maintsy ahazo sazy ihany koa ilay rangahy tsy nanao arotava, kanefa mbola be famaliana. « Hamafisina etoana anefa fa miasa ho antsika ireny zandary ireny ka raha nanaraka ny lalàna ny tsirairay dia tsy tokony hisy ny fifamaliana sy fifampikasian-tanana » hoy hatrany ny anivon’ny zandary. Matetika ny zava-misy eny anivon’ny fiarahamonina eny anefa, na dia manana ny marina sy manara-dalàna aza indraindray ny olom-pirenena dia toa mbola hiharan’ny trerona sy kitakita ary avonavona hatrany. Manomboka amin’ny zavatra bitika, toy ny hoe fisavàna taratasin’ny fiara hatramin’ny fangatahana fanampim-panazavàna any anatin’ireny biraon’ny mpitandro filaminana ireny. Miova tsy toy ny hoe olon-dratsy sy jiolahy avokoa ny rehetra eo anatrehan’ny sasantsany amin’ireo mpitandro filaminana ? Ny fifanajana, na amin’ny fomba fifampiresahana na amin’ny fihetsika, eo amin’ny roa tonta no heverina fa vahaolana iray voalohany indrindra, hampirindra ny filaminana ary hisorohana ny tranga tahak’ity tetsy Ivato ity.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

3 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici