- Publicité -
lundi, juillet 7, 2025
AccueilFaits-DiversIvato : Zazakely nofonosina « sachet » dia nariana teny an-dàlana

Ivato : Zazakely nofonosina « sachet » dia nariana teny an-dàlana

Trangan-javatra mampalahelo indray no niseho teny Ivato ny talata hariva lasa teo, manodidina ny tamin’ny telo ora tany ho any. Zazarano iray indray no nisy nanary teny amin’ny làlana eny amin’ny tany malalaky ny Kaominina Ivato, manoloana ny hotely lehibe iray any an-toerana, ka nitangoronan’ny fokonolona. Marihina fa nifono tao anaty “sachet” mainty izy io no nisy nahatsikaritra. Rehefa niroso tamin’ny fisavana ny tao anatin’ilay “sachet” ny olona  sendra nandalo dia akory ny hagagan’izy ireo raha nahita fa hay zazarano vavikely no tao anatiny. Tazana mbola nanaraka azy  teny ihany koa ny tadim-poitrany. Avy hatrany ny fokonolona dia nampiantso ny zandary avy ao Ankadindravory mba hijery ifotony ny zava-misy. Nandray an-tànana ny raharaha ireto farany ary nanatanteraka ny “constat” rehetra. Tonga teny an-toerana ihany koa ny dokotera nanao ny fizahana ity zazarano nisy nanary ity. Raha ny fanazavana azo dia manodidina ny fito sy valo volana eo ity zaza ity. Efa ary taova tanteraka mantsy raha ny fijery azy. Tsy fantatra araka izany na efa teraka izy ity no nariana na fanahy iniana nesorina mihitsy. Mbola tsy fantatra ihany koa izay tena tompon’antoka amin’izao satria raha ny tombantombana dia mety ho natsipy fotsiny no nahatonga ilay “sachet” teo amin’ny toerana nahitana azy. Fantatra kosa fa tokony ho tamin’ny fito ora maraina tany no fotoana nialan’izy ity tao am-bohoka (nanaserona azy na nahaterahany), raha ny fanazavan’ny dokotera hatrany. Efa eo am-pelatanan’ny zandary ankehitriny ny raharaha. Misokatra araka izany ny fanadihadiana.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici