- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversIVO Isotry : Olona 40 nosamborina niaraka tamin’ny rongony 50 gony

IVO Isotry : Olona 40 nosamborina niaraka tamin’ny rongony 50 gony

Amidy toa voanjo ny rongony ao IVO-Isotry. Izany fanamarihana izany no nitarika ny pôlisy nanao bemidina teny an-toerana ny alin’ny 25 jiona teo. Raha variana taty amin’ny fijerena afomanga ny besinimaro, teo amin’io toerana io kosa dia tena gidragidra tanteraka no niseho. Natao ny fisamborana sy ny fisavana maro samihafa. Raha ny tarehimarika avy amin’ny pôlisy dia manodidina ny 40 olona no voatery nentina teny amin’ny birao etsy Anosy. Ny antony dia sarona ambodiomby, na niaraka tamin’ny zava-mahadomelina na nivarotra izany na koa nifoka izany, ireo olona ireo. Naira-nidina an-tsehatra ny avy ao amin’ny pôlisy misahana ny hery vonjy maika sy vonjy taitra toa ny UIR sy SAG. Teo ihany koa ny avy ao amin’ny pôlisy misahana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava na BC. Izany rehetra izany dia teo ambany fiahian’ny Tale Jeneralin’ny pôlisim-pirenena, izay nidina teny amin’ny IVO ihany koa ary nanome toromarika ny olony. Tsikaritra izany fa efa manomboka sahy midina any amin’ireo toerana izay noheverina hatramin’izay fa faritra mena, ka tsy sahin’ny mpitandro filaminana hidirana, ny avy ao amin’ny pôlisy. Nivaingana avy hatrany ny valin’izany, satria raha ny tatitra azo dia rongony maherin’ny dimampolo gony no indray hita teny an-toerana. Voamarina avy hatrany izany ilay fanamarihana tany am-boalohany izay milaza fa amidy toa voanjo ny rongony eny amin’ny IVO. Rongony dimampolo gony, izany hoe ho fohan’ny olona an’arivony izany, no indray sarona. Azo heverina arak’izany fa eo amin’ity toerana ity no isan’ny sompitry ny zava-mahadomelina eto an-drenivohitra. Hatreto dia heverin’ny mpanara-baovao fa mifameno ny hetsika izay mandeha : akatona ny “bar” amin’ny sivy ora alina ary ravaina ny toerana misy rongony. Tsy maintsy misotro mantsy na mifoka hatrany ny mpanao asaratsy alohan’ny tena hanatanterahany izany. Rehefa ireo no voafehy dia mazava hoazy fa hihena ny fahasahian’ireo ary lasa mieiritreritra im-pito vao hanao heloka bevava. Manome tsirim-pananentana ny amin’ny fitandroana ny filaminana ny hetsika toa izao. Asa anefa raha ho vitan’ny pôlisy ny fanohizana azy…

Didi R.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser