- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIVO-TIK ANTSIRABE : Nahazo fitaovana avolenta tamin’ny orange solidarité de Madagascar

IVO-TIK ANTSIRABE : Nahazo fitaovana avolenta tamin’ny orange solidarité de Madagascar

Fiaraha miasa avy amin’ny ONG BIRA sy ny orange solidarité de Madagascar no nahazoan’ny Ivo-Tik fitaovana maoderina fampiasa manaraka ny toe-trandro toy ny “impriment 3D, sy fitaoavana hafa afahana mamokatra zava baovao toy robot sy  ny maro hafa. Tombony lehibe ho an’ireo mpianatra manaraka fiofanana ao amin’ny Ivo Tik ny fampiasana ireo fitaovana avolenta ireo satria sady mianatra izy ireo no manao fampiharana avy hatrany ny tetikasany. Tanora manodidina ny 17 ka hatran’ny 25 taona no raisin’ny Ivo tik manaraka ny fiofanana ary efa misy ireo mpampiofana voahomana amin’izany.  Ohatra amin’ireo tetikasa hiofanan’ny  mpianatra ny fanamboarana « robot mobile élévateur » fampiasa any amin’ny orinasa na « bras robotique par direction laser ». 

Notontosaina ny faran’ny herinandro lasa teo ny fanokafana ofisialy ny fampiofanana sy fisian’ny laboratoara hiofanan’ireo mpianatra raha toa efa tamin’ny 13 Desambra kosa no nanomboka ny fampiofanana ho an’ireo mpianatra. Marihina fa maimaim-poana ny fampiofanana, tamin’ity andiany ity dia mpianatraa avy amin’ny IE SAV mila fanampiana na tosika no misitraka ny fampiofanana izay hifarana ny faha janoary 2023.

Vina napetraky ny IVO TIK ny hamoaka mpianatra miisa 10 isam-bola manomboka ny taona 2023. Tanjon’ity fampihofanana ity ny mba hananan’ireo mpianatra fahaleovan-tena ka afaka hampihatra ny haitaony amin’ny asa fivelomana na hiasa any amin’ny orinasa, misy rahateo ny fampifandraisana ireo mpiofana amin’ny orinasa eto Vakinankaratra mba hanamorana ny fitadiavan’izy ireo asa.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici