- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversIvoara very teo tao amin’ny kaominina Toamasina : Misy anaran’olona voatonontonona momba ny...

Ivoara very teo tao amin’ny kaominina Toamasina : Misy anaran’olona voatonontonona momba ny raharaha

Ny alarobia tolakandro teo no tonga teo am-pelatanan’ny kaomisera misahana ny Tananan’i Toamasina ao Bazary kely ny fitorian’ny kaominin’i Toamasina, mikasika ilay “ivoara roa” very izay fanomezana avy amin’ny fanjakana Keniana ho an’ny kaominin’i Toamasina ny taona 1963 nandritra ilay foara iraisam-pirenena teto Toamasina. Efa misy anaran’olona voatonontonina sahady amin’izao fitoriana tonga eny anivon’ny polisy izao, saingy ho sahy hisambotra io olona io ve ny polisy ao anatin’ny asany, satria lefitry ny ben’ny tanana voalohany teo aloha ity olona voatonontonona ity, ary olona mpibaiko amin’ny lafin-javatra maro eo anivon’ny antokom-panjakana eto Toamasina. Nijoro vavolombelona mantsy ireo mpiasan’ny kaominina telo lahy nirahin’ity lefitra voalohan’ny ben’ny tanana teo aloha ity, fa izy ireo no nibata ilay “ivoara roa” natao tao anaty fiara tsy mataho-dalana fa hoe haterina eny amin’ny “voirie” ireto “ivoara roa” ireto tamin’izany. Nanomboka teo dia tsy hita popoka ilay “ivoara roa” fanomezana ho an’i Toamasina izay lasa vakoka, nefa tsy ahitan-teny ny talen’ny kolontsaina eto Toamasina mikasika ity raharaha ity. Ankilan’izay dia tsy tamin’ity taona 2019 ity no nahavery ilay “ivoara roa” fa efa teo anelanelan’ny taona 2017 sy ny taona 2018 no nanjavonany. Milanja 450kgs eo mantsy ireto “ivoara roa” ireto raha ny tomban’ny kaominina mpitory, ka raha arahana ilay vidiny iraisam-pirenena 700 dolara isaky ny kilao, dia vola be tokoa ho an’izay nangalatra ireto “ivoara roa” teo anivon’ny kaominina ireto ny halatra nataony, sy ny bizina vitan’izy ireo ary tsy maintsy tambajotra no niasa tamin’izany

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici