- Publicité -
lundi, octobre 27, 2025
AccueilFaits-DiversIvotika Vakinankaratra  :  Mpianatra 40 mianadahy nahavita fiofanana

Ivotika Vakinankaratra  :  Mpianatra 40 mianadahy nahavita fiofanana

Fiofanana mahakasika ny “supercodeur” sy ny “programme fablab solidaire” no narahan’ireo tanora miisa 40 mianadahy ireo tao amin’ny ivoterana nomerika Ivotika faritra Vakinankaratra. Fikirakirana mahakasika ny teknolojia sy ny tontolo nomerika sy haitao ara-kajy mirindra ny fiofanana.

 Fiaraha miasa amin’ny orange Madagascar no nahatanteraka izao fampiofanana homena ny tanora eto Antsirabe izao. Andiany faha efatra ireto tanora, ankizy nahavita ny fiofanana hatramin’ny farany ireto. Ankizy 9 taona hatramin’ny 14 taona sy tanora 15 taona hatramin’ny 25 taona no misitrika ny fampiofanana. Ny 24 mianadahy  avy amin’ny oniversité Vakinankaratra, nanaraka ny fiofanana mahakasika ny “Programme Fablab solidaire” raha toa ka  16 mianadahy kosa nanaraka ny “supercodeur” izay naharitra roa volana.

Hanampy betsaka ireo tanora amin’ny fisafidianana ny tohin’ny fianarany ny fampiofanana azon’izy ireo hoy Rtoa Jacqueline Rakotonirina sekretera jeneraly eo anivon’ny fiadidiana ny faritra Vakinankaratra nandritra ny fanolorana mari-piofanana tamin’ny herinandro lasa teo tao amin’ny Ivotika hatrany.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici