Nosamborina indray ary nidoboka am-ponja indray. Natolotra ny fampanoavana omaly i Jean Nirina Rafanomezantsoa, filohan’ny Hafari Malagasy rehefa avy nosamborina tamin’ny tolakandron’ny alahady teo. Nidoboka am-ponja vonjimaika izy rehefa vita ny fihainoana azy tao Anosy. Efa an-dàlana ho any amin’ny fampanoavana izy omaly no nahemotra kely indray izany satria nitondra vavolombelona ny mpitory, notohizana ny fihainoana izay vao nandeha teny amin’ny fitsaràna Anosy. « Karàna izay mitondra ny narana Hassanaly Hervé no mpitory azy io farany dia milaza ny ho tompon’ny tany mitondra ny titre 72958 A izay etsy Anosizato, tany izay niadivan’ny Hafari Malagasy avy amin’ny alàlan’ny filohany satria an’ny kaominina Antananarivo-Renivohitra. Ny anton’ny fitorian’ilay karàna indray dia noho ny filazàna fa naka vola tany aminy sy ny mpiasany i Jean Nirina Rafanomezantsoa » raha araka ny fampitam-baovaon’ny Hafari Malagasy. Isan’ny nanana fanirina ny hilatsaka ho solombavam-bahoaka i Jean Nirina Rafanomezantsoa ary isan’ny vinany ny hiady amin’ireo tany izay miteraka olana eto an-drenivohitra. Asa anefa raha ho tontosa izany filatsahan-kofidiana izany manoloana ity famonjàna ity indray.
D.R