Isan’ny dokam-barotra miverimberina amin’ny haino aman-jery ny mahakasika ny Fitrama izay mpivarotra fanafody nentim-paharazana. Nampanantsoina i Jean Nirina Rafanomezantsoa sy Jean Pierre Rakotondranaivo ary nampahafantarina azy ireo ny lalàna manan-kery mahakasika ny fitsaboana eto amin’ny nosy. Ny minisitera misahana ny fahasalamam-bahoaka no niandraikitra izany fampahafantarana izany. Isan’ny voaresaka tao koa ny tsy tokony hanaovan’ireo roa lahy voalaza anarana etsy ambony dokam-barotra momba ny fahasalamana. Ny antony dia tsy mpitsabo izy ireo ary tsy mpitsabo nentim-paharazana koa. Tsy ao anatin’ny fikambanana nasionaly an’ny mpitsabo nentim-paharazana izy ireo raha araka ny taratasy nataon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Mampanahy arak’izany raha mbola mitohitohy ity resaka ity ny mety hanenjehan’ny fanjakana an’izy roalahy noho ny fisandohana andraikitra. Etsy ankilany, nandefa taratasy any amin’ny minisiteran’ny serasera ny ministeran’ny fahasalam-bahoaka ny mba hanajanonana avy hatrany ny dokam-barotra mahakasika ny Fitrama, mpamokatra fanafody nentim-paharazana. Mety hisy akony amin’ny fahasalam-bahoaka mantsy ny akon’izany eo amin’ny fiaraha-monina, raha araka ilay taratasy. Nahazo vahana tampoka ny fitsaboana nentim-paharazana, indrindra ny fampiasàna ny fanafody avy amin’ny zava-maniry. Vao nigadona teto amintsika ny Covid-19 dia efa nivadika ny fomba fanjifàna ara-pahasalamana teto amin’ny firenena. Nahazo vahana ny famokarana izany ary vetivety koa ny mpandraharaha dia niditra tao anatiny. Lasa misy karazany marobe ankehitriny ary samy milaza fa manara-dalàna sy nanao fikarohana avokoa. Tsy misy maharatsy izany fa kosa mila voamarina ny fikarohana nataon’izy ireo mba tsy hisy akony amin’ny fahasalam-bahoaka. Ezaka izany mila ifantohan’ny tompon’andraikitra akaiky.
D.R