- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJean Rock : Wanted, tadiavin’ny « brigade criminelle »

Jean Rock : Wanted, tadiavin’ny « brigade criminelle »

Anisan’ny olona karohin’ny polisy ity namoahan’ny polisy sary manerana ny birao maro ity. Voalaza fa nangalatra tany amin’ny toerana nambenany izy io

Nanao fanambarana ny polisy avy ao amin’ny « brigade criminelle” fa karohana fatratra ny lehilahy iray antsoina hoe Jean Rock na antsoina koe hoe Rock sy ny vehivavy iray R. Miora Felicie. Samy voarohirohy amina resaka halatra izy roa ireo. Ilay voalohany dia voalaza fa nangalatra tany amin’ny olona nampiasa azy tamin’ny fotoana voalaza fa tokony niambenany tany. Rehefa azony ny vola dia lasa nandositra izy ary tsy hita izay misy azy amin’izao fotoana izao. Marihina fa miaramila afaka ity Rock ity, hoy ny vaovao voaray. Tsiahivina fa anisan’ny tafiditra ao anatin’ny fikambanan-jiolahy nahavoasazy kaomisera  polisy iray izy io. Ity farany ity moa dia efa nalefa eny amin’ny fonjabe Tsiafahy miaraka amina olona efatra,izay nampiasainy hanao fiambenana amina toerana maro samy hafa. Izay mahita an’ity Rock ity sy io vehivavy iray io dia iangavian’ny polisy hampandre faran’izay haingana ny “brigade criminelle” amin’ny laharana telefonina 04 05 512 26 ; 034 05 998 46; 034 05 998 47.

Efa atao petadrindrina manerana ny biraon’ny polisy rehetra ity “wanted”e ity. Hita avokoa eny ny sarin’ireo olona roa ireo.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser