« Ara-dalàna tanteraka ireny fihetsiky ny mpitandro filaminana ireny » hoy ny fanazavan’ny Jly Florens Rakotomahanina, omaly raha nitafa tamin’ny mpanao gazety, momba ilay fomba fisamborana mahery vaika nihatra tamin’ny iray tamin’ireo mpianatra, ny alatsinainy teo teny Ankatso. « Fomba fampiasan’ny mpitandro filaminana, na eto na any amin’ny tany mandroso ny « technique d’immobilisation » rehefa somary misy fanoherana avy amin’ilay olona hosamborina » hoy hatrany ny fanazavany. Niteraka resabe, na tamin’ny haino aman-jery sy tamin’ireo sehatra azo hanehoan-kevitra isan-karazany tokoa mantsy, iny fomba fisamborana mahery vaika nataon’ireo mpitandro filaminana tamin’i Jean Pierre, mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, ny alatsinainy lasa teo. « Tiako ny manamarika, hoy hatrany ity Kômadin’ny fari-piadidian’ny zandary eto Antananarivo ity, fa salama tsara io mpianatra io, fa tsy araka ny feo mandeha akory hoe, tsy mahatsiaro tena izy na ihany koa hoe am-bavahaona ». Hatramin’ny omaly dia mbola voatazona eny amina tobin’ny zandary iray eto Andrenivohitra ity tovolahy voasambotra ity, atao fanadihadiana ary hampiakarina fitsarana amin’ny fotoana mahamety azy, raha ny voalaza hatrany. « Efa nanarina izy tamin’ilay voalohany nisamborana azy iny, fa fandikan-dalàna ny nataony. Namela azy izahay tamin’ireny fotoana ireny. Tamin’io alatsinainy io anefa, dia tsikaritra fa mbola namerina ilay fandikan-dalàna ihany ny tenany ka tsy maintsy niroso tamin’ny fisamborana azy ny mpitandro filaminana, ary hitondra azy eny anivon’ny Fampanoavana » araka ny nambaran’ity manamboninahitra jeneraly ity hatrany.
m.L