- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversJeneraly Florens : “Tsy nisy maty na naratra izany tany Anjozorobe”

Jeneraly Florens : “Tsy nisy maty na naratra izany tany Anjozorobe”

Manizingizina ny zandary izay eo ambany fiahian’ny komandim-paritra eto Analamanga fa tsy nisy maty izany ary tsy nisy ihany koa ny naratra. Omaly ny Jeneraly Florens Rakotomahanina no nihaona tamin’ny mpanao gazety ka nitatitra ny voalaza fa fanadihadiana nataony sy ny olony tany an-toerana, ka nahafahan’ireo nilaza fa diso ny filazàna ny fisian’ny vonoan’olona tany Anjozorobe. Nolazain’ity manamboninahitra Jeneraly ity fa nanontaniana avokoa na ny zandary, na ny miaramila ary koa ny olon-tsotra. Tsy nisy nahafantatra na naheno ny fisian’ny fatiolona izy ireo. Tonga hatrany amin’ny 15 kilaometatra niala ilay kariera voalaza fa nisian’ny tifitra ireo zandary nentin’ity Jeneraly ity ary tsy nahita na olona maty, na dian-dratra na koa toe-javatra mety ho mifanandrify amin’izany. Na izany kosa aza anefa dia nanamarina ny olona rehetra fa naheno poa-basy, ny 23 febroary lasa teo. Mizara roa araka izany ny feo mahakasika an’ity raharaha ity. Ny mpiray fiaviana amin’ireo nilaza fa manana ny maty dia nilaza fa tsy hamela mora foana ny raharaha ary hanao izay ho afany. Ny mpanao pôlitika sasany dia niombom-po tanteraka tamin’izy ireo ary nanakiana ny Filoham-pirenena, izay melohin’izy ireo noho ny fibodoana ny harem-pirenena sy ny fampiasana fahefana amin’ny fanaovana an’izany. Ny Praiminisitra indray, raha nanontaniana momba ity raharaha ity, dia nisafidy ny tsy haneho ny heviny aloha. “Tsy mbola fotoana tokony hamaliana an’izany aloha izao”, hoy ny lehiben’ny Governemanta.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici