
Voaroba ny mpamily sy ny mpandeha. Raha somaro nangina tsy nahenoana feo ity fanafihana fiara taksiborosy, eny amin’ny lalam-pirenena fahefatra ity tao ho ao, dia niverina nahazo vahana. Ankoatra ny fanafihana fiara taksiborosy, iray kilaometatra tsy hidirana ny tanànan’Andranobevava, any amin’ny kaominina ambanivohitra Beanana, aty amin’ny disitrikan’i Maevatanàna, tamin’ity taona 2025 ity, dia lasa nikisaka any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra indray izany. Raha hotantaraina tokoa ny tena zava-nitranga, araka ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana, dia fiara taksiborosy iray avy any Mahajanga, hihazo any Antananarivo nobahanan’ny jiolahy efa-dahy vatan-kazo sy vato ny lalany, ny alin’ny asabotsy lasa teo, tokony tamin’ny 00:45 minitra tany ho any, izay tsy lavitra ny tanànan’i Marotaolana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Voakany: voaroba ny mpamily sy ny mpandeha, tsy nisy ny naratra sy ny aina nafoy. Taorian’izay no lasa nitsoaka ny malaso. Ora vitsy taty aoriana no tonga tany an-toerana ny zandary, sady nanao ny fanarahan-dia.
Ratantely