Nahazo vaovao marim-pototra ny polisim-pirenena eto Toamasina tarihan’ny talen’ny
filaminana anatiny, kaomisera Rakotovao Jean Christian sy ny lehiben’ny fampanoavana
ambatonga voalohany eto Toamasina, ka tonga nikaroka ireo jiolahy ireo teny amin’ny trano
misy azy tao Tanambao Verrerie teto Toamasina. Nanomboka tamin’ny atoandro teo ny
fikarohana ireo jiolahy, ka tamin’ny 12ora sy sasany tany ho any dia efa jiolahy roa no maty
voafitry ny polism-pirenena Toamasina. Nitohy ihany ny fikarohana sy ny fifampitifirana teo
amin’ireo jiolahy sy ny polisim-pirenena ka tafakatra efatr ny maty hatramin’ny nanoratana
ny vaovao, ary basy vita gasy roa no sarona tamin’ireto jiolahy ankoatra ny fitaovana
fampiasan’izy ireo amin’ny vaky trano fanaony. Mbola mitohy hatrany ny fikarohana ireo
namany amin’ireo jiolahy hatramin’izao hanoratana ny vaovao izao, satria ny baiko avy
amin’ny talen’ny filaminana anatiny sy ny tonia mpampanoa lalana ambaratonga voalohany
eto Toamasina, dia ny famongorana hatramin’ny fakany ireo jiolahy mampahory vahoaka
ireo. Ny zavatra hita aloha dia fifanenjehana tsy misy ohatra izany ny ataon’ireo jiolahy sy ny
polisim-pirenena ; ka tonga hatrany Tsararivotra mihintsy izany fifanenjehana izany araka ny
vaovao voaray. Ho hita e ihany izany ny fanazavana entin’ny talen’ny filaminana anatiny sy
ny tonia mpampanoa lalana Toamasina mikasika ity fifampitifana eo amin’ny jiolahy sy ny
polisim-pirenena ity.
Malala Didier