- Publicité SW45 -
samedi, juillet 6, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJiolahy fetsy : Naparitany eran’ny lalana ny ampaham-bola avy nangalariny

Jiolahy fetsy : Naparitany eran’ny lalana ny ampaham-bola avy nangalariny

Avy nanao ny asa ratsiny ingahirainy : nanendaka ramatoa iray ary nahazoany vola mitentina teo amin’ny roa tapitrisa ariary teo. Rafitra nanenjika azy ny olona, saingy mba ahavariana an’ireo farany dia nisy tamin’ireo ampaham-bola nalainy no naparitany eran’ny arabe. Nifarombaka ny olona haka ireo vola, izy lasa nitsoaka.

Zava-nitranga tetsy Antanimena, ny andron’ny sabotsy lasa teo. Lehilahy iray, isan’ireo raindahiny amin’ny fanendahana anaty taxibe no voasambotry ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo, tetsy Antaninandro. Amin’izao tokoa mantsy  dia indrisy fa zary lasa tokontany fanaovan’ireo tontakely ny asa ratsiny ao anatin’ireny fiara fitanteram-bahoaka ireny. Ankoatr’ireo mpangarom-paosy, izay efa nisy foana hatramin’izay dia misy ireo sasany, tsy tahotra tsy henatra intsony fa tena manendaka an-kitsirano sy mampiasa fitaovam-piadiana mihitsy. Iray tamin’ireny ity lehilahy voasambotra ity teo Antanimena ity. Tamin’io fotoana io dia vehivavy iray nitondra vola no lasibatra. Ary nahazoany vola an-tapitrisany. Niray hina ireo nahita sy naheno ny antso vonjin’ilay vehivavy ary rafitra nanenjika azy, teo am-pitsoahana. Teo anefa no nahita hevi-dratsy hitsoahana ilaikary. Saika nahomby ihany saingy tsy azony velively tamin’izany ny pôlisy, izay efa nampandrenesina mialoha ary tonga ara-potoana teny an-toerana. Ireto farany no nanohy ny fanenjehana ary tsy navelan’izy ireo raha tsy voasambotra ity mpanendaka ity niaraka tamin’ny zavatra nangalariny. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny kaomisaria moa ingahirainy ary atolotra ny Fampanoavana aorian’ny famotorana azy.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici