- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversBetafo : Jiolahy iray mitazona basy roa

Betafo : Jiolahy iray mitazona basy roa

Basy poleta roa no teny aminy. Jiolahy mpanao fanafihana mitam-piadiana izy raha araka ny fanazavan’ny polisy misahana ny faritr’i Vakinankaratra. « Raha tsiahivina dia nosamborin’ny polisy tao Moratsiazo, Betafo ity jiolahy ity ny 07 jolay lasa teo noho ny resaka fanafihana mitam-piadiana. Nilaza ny toerana misy ireo namany any Akazobe ity farany ka nanaovana bemidina mba hirosoana amin’ny fisamborana. Tao anatin’izany indrindra no nikasa nandositra ilay jiolahy ka voatery notifirina ary lavo. Nahitana basy roa teny aminy » raha araka ny fampitam-baovaon’ny polisin’ny kaomisaria Betafo izay eo ambany fiahian’ny talem-paritra Vakinankaratra. Omaly no nitrangan’izany tany Ankazobe-Betafo. Ahoana no hananan’ity jiolahy ity poleta roa izay araka ny fijery ireo basy amin’ny sary dia tena izy fa tsy ireny basy fanairana novaina ireny? Tranga toa izany no mbola manaporofo fa maro ny basy mbola mivezivezy eto amin’ny nosy. Na hatrany ambanivohitra aza dia manana izany ny jiolahy. Izany hoe misy mpamatsy azy ireo izany. Ventimbetesina matetika ny hoe nandritry ny krizy politika sy ny fanonganam-panjakana isan-karazany no niparitaka ny basy. Efa ela anefa izany ary mety tsy mitombina intsony raha hatao tsoakevitra momba ny fiparitahan’ny basy. Ireo fitaovam-piadiana izay tsikaritra rehefa misy tratra rahateo dia hita fa efa basy taty aoriana ary tsy an’ny mpitandro ny filaminana ny hangezany sy ny refin’ny balany. Midika izany fa misy loharanom-basy eto amintsika saingy tsy mba nety lasa lavitra aloha hatreto ny fanadihadiana mba hahafantarana an’izany.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici