Tena efa ao anatin’ny “operation” tsy an-kitsitsy ny polisim-pirenena eto Toamasina araka ny fivoriana nataon’ny polisy niaraka tamin’ny talen’ny filaminana anatiny Toamasina. Jiolahy iray indray no maty voatifitra ny alarobia 3 oktobra tamin’ny 9ora sy 30min alina tao amin’ny tsenan’Ankirihiry atsimo parcelle 11/31. Raha ny fanazavana dia telo lahy ireto jiolahy nanendaka ramatoa tratra alina teo amin’ny tsenan’Ankirihiry izay nitondra zava-maranitra nandritra izany, dia niezaka niantso vonjy ilay ramatoa noravana finday ka niezaka nanenjika ireto mpanendaka ny fokonolona ary niantso polisy ihany koa. Ny polisin’ny FIP no tonga ara-potoana nandritra izany, ka tratra teo amin’ny tsenan’Ankirihiry ireto jiolahy ka iray no maty voatifitra nandritra izany ary mbola tratra teny aminy ny antsy be fampiasany fampitahorana olona fitondrany, raha afa-nitsoaka ny jiolahy roa namany. Niezaka ny namaly ireto polisy nanenjika azy ireto jiolahy ireto nandritra izany, ka niezaka namaly ireo polisy manenjika azy tamin’ny fampiasana ireo zava-maranitra teny aminy.
Malala Didier