- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversJiolahy maty voatifitra teto Toamasina : “Tsy mpanendaka” hoy ny havany, “jiolahy...

Jiolahy maty voatifitra teto Toamasina : “Tsy mpanendaka” hoy ny havany, “jiolahy ikoizana” hoy ny polisy

Ny sabotsy teo, dia tonga nijery sy naka ilay maty voatifitry ny polisy tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ny havany. Nandritra izany dia nikasa hiantso mpanao gazety izy ireo; izay hilazany fa “tsy mpanendaka” ny havan’izy ireo fa novonoin’ny polisy teto Toamasina tsotra izao.

Tampoka teo anefa raha an-dalana hamonjy ilay fotoana ny mpanao gazety nantsoina, dia najanona tampoka indray ilay filazana saika ho nataon’ireto havany maty, izay tsy fantatra ny antony.Ny angom-baovao natao anefa no nahalalana fa, tsy nazava tamin’ireto fianakavian’ny maty ireto ny tena antony nahavoatifitra ny havany, ny alakamisy nifoha  zoma tokony ho tamin’ny 01ora maraina teo. Tsy maintsy mila alàlana avy amin’ny polisy nahatifitra sy nisahana ny raharaha anefa ireto fianakavian’ny maty ireto, ka teo vao fantatr’izy ireo ny tena nahatonga ny raharaha.

Amin’ny polisy dia “jiolahy ikoizana” izay naharaisan’izy ireo fitoriana sy fitarainana tsy latsaky ny 30 ity tovolahy voatifitra ity, noho ny fanendahana sy vaky trano ary fanaovana fanafihana mitam-piadiana fanaony miaraka amin’ireo namany telo mbola tafatsoaka ifampitadiavana. Vokatr’ io antony io dia voatery nanaovan’ny polisy fandrika ireto andian-jiolahy ireto, ka izao nahavoatifitra ny iray tamin’izy ireo izao; ary ho fanajana ny maty dia tsy nanisy olana tamin’ny fakan’ny fianakaviany ny fatiny tao amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ny polisy.

Ankoatra izay dia manao “opération” ny polisy amin’ireo mpanedaka tena maha-be ny fitarainan’ny olona sy mampisy ny tsy filaminam-bahoaka izao. Vokatr’io fanendahana io, dia saika lasa faritra “mena” avokoa ny fokontany maro eto Toamasina, manampy trotraka izany ny tsy fandraisana andraikitry ny kaominina amin’ny fanazavana ny tanàna amin’ny fiaraha-miasan’ny Jirama.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici