- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversJiolahy mitondra « bois rond » : Nikisaka teny Ambolonkandrina indray

Jiolahy mitondra « bois rond » : Nikisaka teny Ambolonkandrina indray

Miovaova toerana ireo olon-dratsy mitazona hazo misy fantsika. Tsy mitazona fotsiny ireo fa tena mandratra na mamono olona amin’izany fitaovana izany. Ny farany indrindra nitrangan’izany, dia teny amin’ny manodidina an’Ambolonkandrina. Samy nanana ny filazany ny olona ary nisy mihitsy ny nanazava fa nandratra olona efatra izy ireo teo an-toerana, ny alin’ny talata teo. Vao maraim-be dia tonga teny an-toerana ny pôlisy nijery ifotony ny zava-nitranga. Nilaza ireo farany fa nandre ny zava-nitranga no antony fandalovany teny Ambolokandrina. Tsy hita anefa ny olona niharan’ilay herisetra ary tsy nisy ihany koa ny fitarainana nipetraka teny amin’ny biraon’ny pôlisy. Arahin’ny mpitandro ny filaminana maso akaiky iny faritra iny nanomboka afak’omaly. Ankoatr’ity raharaha “bois rond” ity mantsy, dia fantatra koa fa nisy andian’olona maromaro nitovy akanjo  mandrahona izay mifanena aminy. Io indray dia teny amin’ny manodidina an’Ambohipo no nisy nampandre, fa nihaodihaody ireo olona ireo. Taorian’izay dia nilatsaka tany Andravoahangy ary nisy mihitsy aza no nilaza fa nanafika izy ireo tao anatin’izany. Nohamafisina avy hatrany ny fisafoana ireo kartie rehetra voalaza ireo amin’izao ankatoky ny fetin’ny fahaleovantena izao; izay matetika hisian’ny asa fanakorontanana hatrany. Isan’ny toromarika manokana nomena mihitsy ny fanaraha-maso ireo olona manana fanamiana mitovitovy izay mitety kartie ireo. Torak’izany ihany koa ireo jiolahy mpitazona “bois rond” izay efa maro ny matiny teto an-drenivohitra sy ny manodidina. Raha ny fantatra, dia efa nisy olona roa voasambotra teny Ambohimangakely rehefa voarohirohy ho isan’ny tao anatin’ny tarik’ireo olon-dratsy. Miainga amin’io izany ny fanadihadian’ny mpitandro ny filaminana izay mety hahafantarana ny tena tanjon’ireto olon-dratsy ireto.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser