Nihena iray indray aloha hatreto ireo mpanao fanafihana mitam-piadiana, nampitondra faisana olona maro teto an-drenivohitra. Omaly maraina, araka ny fampahafantarana nataon’ny teo anivon’ny pôlisim-pirenena dia nisy lehilahy iray, voatondro ho jiolahy raindahiny amin’ny resaka fanafihana mitam-piadiana, no lavon’ny balan’ny polisy, teny amin’iny faritra Anosibe iny. Mbola nahitàna fitaovam-piadiana tany amin-dralehilahy tamin’io fotoana io. Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany teo ho eo, mbola ao anatin’ny fifanaretsahan’ireo mpivarotra sy mpiantsena eny amin’ny tsenan’ny tantsaha vao maraina izany, no nitranga ity fifanenjehana narahana tifitra nahafaty ity voalaza fa olon-dratsy ity. Voalazan’ny pôlisy hatrany fa efa ela no nanaraha-maso ity olona ity sy ny namany, izay marihana, hoy hatrany ny vaovao fa efa mpamerin-keloka ary nandalo matetika teny Antanimora sy Tsiafahy. Tamin’io maraina, nifanehatra tamin’ireo hery vonjy taitran’ny kaomisaria foiben’i Tsaralalàna izy ireo teny an-toerana. Mbola nieritreritra ny hamaly anefa ingahirainy tamin’izay fotoana izay, raha namoaka ilay antsy lavalela, izay heverina fa fentiny manao ny asa ratsiny. Voatery nitifitra avy hatrany ireo pôlisin’ny UIR (unité d’intervention rapide) sy ny CUI (compagnie urbaine d’intervention), ka io nahavoa azy io. Namoy ny ainy avy hatrany noho ny fahaverezan-drà be loatra moa ity olona ity. Mbola mandeha kosa ny fikarohana ireo namany, raha ny fampitam-baovao azo hatrany.
m.L