
Tsy lasa lavitra ity tovolahy iray voalaza fa mpanendaka dia voasambotr’ireo mpitandro filaminana, rehefa nifanjehana tanaty elakelan-trano sy tsena rehetra iny, teny amin’iny faritra Sabotsy Namehana omaly. Tra-tehaka am-bodiomby teo am-panantanterahana ny asa ratsiny ingahy. Sendra nifanena tamin’ireo mpitandro filaminana ka raikitra ny fanenjika. Tsy namelan’ireo pôlisy anefa raha tsy voasambotra. Eny fa na dia milaza azy ho mahay misitrika sy mahafantatra ireo karazana « couloir » rehetra eny an-toerana aza. Nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana moa ho amin’ny famotorana. Marihana fa ao anatin’ny hetsika manokana entina hamongorana ny mpanao ratsy sy hametrahana ny fandriampahalemana ny pôlisy amin’izao. Misy araka izany paikady manokana entin’izy ireo, ka porofo izao. Tato ho ato tokoa, tsy vitsy ireo no mitaraina amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Sabotsy Namehana iny. Tsy menatry ny mikasin-tanana na mamono mihitsy ireo olon-dratsy. Na andro antoandro na andro hariva dia tsy efa tsy misy tahotra intsony ireo mpanendaka, araka ny angom-baovao azo. Voalaza aza fa ireo tovovavy no tena lasibatra, voandaka finday rehefa mandeha irery na mamakivaky lalan-kely iny. Ary vao ny alarobia teo no nitrangana fanafihana mitam-piadiana nihatra tamin’ny tokatrano iray, teny Antsahatsiresy Sabotsy Namehana. Fanafihana, izay niafara tamin’ny famoizan’ny zanaka lahikelin’ny tompon-trano vao 13 taona monja ary nahaverezana vola misimisy ihany.
m.L


