Nampiahiahy ny mponina ny fisian’izy roa lahy ireto mihaodihaody teny amin’iny faritra Anosizato iny, niaraka tamin’ny basy. Nampandrenesina avy hatra ny zandary. Raikitra ny an-kitifitra.
Ny alin’ny alatsinainy lasa teo, raikitra ny fifanjevoana teny amin’iny faritra Anosizato sy ny manodidina iny, teo amin’ireo andiana zandary sy ny jiolahy. Tokony ho tamin’ny 10 ora alina tany ho any mantsy no nahazo angom-baovao ny zandary ny alin’ny fisiana andian’olona mampiahiahy. Tamin’io ihany dia natao ny fisavàna ny rehetra izay mbola hita teny an-toerana. Ary tamin’izay indrindra no nifanehatra tamina roalahy nibaby sakaosy. Vantany vao nahita zandary ireto farany dia namoaka basy tany anaty kitapony ary rafitra nitifitra avy hatrany no sady nanao tari-dositra nitsoaka. Niaro tena ary voatery namaly ihany koa ireo mpitandro filaminana tetsy an-danin’izay. Nandrovitra ny fahanginan’ny alina tamin’io fotoana io ny feom-basy nipoapoaka. Vokany, iray tamin’ireto rolahy ireto no lavon »y bala araka ny fampahanfatarana nataon’ireo mpitandro filaminana. Tafaporitsaka, nanararaotra ny haizi-mikitroka kosa ilay namany. Volazan’ny vaovao hatrany fa mbola nahitana karazana fitaovam-piadiana tany anaty sakaosin’ity olon-dratsy maty ity. Ankoatry ny basy lava teny aminy mantsy dia mbola nisy basy iray hafa tao anaty sakaosy niampy zava-maranitra. Heverina avy hatrany fa nikasa hanao fanafihana teny an-yoerana mihitsy izy roalahy ireto saingy izao nandamoka izao. Mbola mitohy moa raha ny vaovao azo hatrany ny fikarohana ilay namany. Ny vatana mangatsiaka an’ilay namoy ny ainy kosa efa naterina tany amin’ny tranom-patin’ny Hjra.
m.L