- Publicité -
dimanche, février 22, 2026
AccueilFaits-DiversMorarano Chrome : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitra

Morarano Chrome : Jiolahy rain-dahiny maty voatifitra

Tranom-barotra lehibe iray tany an-toerana, niaraka tamin’ny tranom-piantohana tao Morarano Chrome no indray norobain’ity olon-dratsy tamin’ny taom-baovao teo. Haingana be anefa ny fahatongavan’ireo mpitandro filaminana ka ny atoandron’io ihany dia voasambotra ny lehilahy.

Araka ny fanazavana nomen’ny polisy, vantany vao nahazo vaovao mahakasika ity trangana fandrobana sy halatra ity izy ireo dia nanao ny fikarohana izay tompon’antoka. Tsy niandry ela dia fantatra izany ary voasambotra. Tamin’ny famotorana ity olona ity, izay voalaza fa efa kalaza lahy amin’ny asa ratsy isan-karazany ao an-toerana dia niaiky soa aman-tsara ny zavatra nataony ingahy. Ary vonona ny hanoro ny toerana nanafenany ireo zavatra rehetra nangalariny tao amin’ireo toerana ireo.

Nitsimbadika anefa ny raharaha rehefa tonga teny an-toerana izy, niaraka tamin’ireo polisy nitondra azy. Tsy nanaiky mora ny fisamborana azy indray mantsy ingahy, hoy ny vaovao ary niezaka nanohitra sy nanao paik’ady hitsoahana tamin’ny alalan’ny fangalàna an-keriny ny fitaovam-piadiana teny am-pelan-tanan’ireo polisy. Teo antrehan’ny zava-nisy dia voatery nitifitra ireo polisy ary nandratra azy. Nitondra azy ho any amin’ny fahafatesana moa izany ratra nahazo azy, raha ny vaovao hatrany. Tetsy an-danin’izay kosa dia efa hita avokoa ireo zavatra nangalariny.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici