Halatra omby, nitazona omby halatra, famotsiana taratasin’omby halatra fikambanan-jiolahy, fampihorohoroana, kolikoly, firaisana tsikombakomba amin’ny raharaha vono olona … Ireo daholo no fantatra fa isan’ireo vesatra anenjehana ity jiolahy rain-dahiny nampihorohoro iny faritra Sofia sy ny manodidina iny. Voasambotry ny zandary tany Befandriana izy, niaraka tamin’ireo olona mpiray tsikombakomba nanafina azy, ny sabotsy lasa teo.
Toy ny tamin’ny Del kely, dia nisy ny famoahana tarataraty fanaovana hazalambo ity lehiben’ny jiolahy ity. Nilaza ihany koa ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny zandary fa homena tambiny ireo mahasambotra azy. Naharitra teo amin’ny telo volana mahery teo ho eo no nanaovana izay hazalambo izay, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary hatrany, sy nikarohana ity jiolahy rain-dahiny ity hatraiza hatraiza. Ny sabotsy lasa teo ary, rehefa nahazo loharanom-baovao ny teo anivon’ny zandary fa hita miriaria amin’ny toerana iray eo anelanelan’ny faritra Sava sy Sofia ity farany dia napetraka avy hatrany ny paik’ady rehetra hisamborana azy. Tsy afa-niala intsony ary tra-tehaka tao amin’ny toerana antsoina hoe Antsahabe Lagnorana, kaominina Mantsondakana, distrikan’i Befandriana Avaratra ny lehilahy, niaraka tamin’ny rahalahiny. Ankoatra azy mirahalahy ireto dia fantatra ihany koa fa nisy olona efatra hafa, izay voalaza fa mpanafina sy mpampiantrano azy nosamborina niaraka. « Tsiahivina manokana ihany koa fa jiolahy efa nigadra 7 taona tany Tsiafahy izy ny taona 2006, saingy vao nahavita 5 taona monja dia tafavoaka noho ny antony manokana. Amin’ity indray mitoraka ity dia tsy hisy antony hahavotsotra azy, satria mitombina tsara avokoa ireo vesatra anenjehana azy, araka ny andinin-dalàna famaizana. » hoy hatrany ny fanazavàna azo. Tsy mbola tapitra hatreo anefa akory ny famotorana sy ny fanadihadiana azy fa mbola mitohy any amin’iny faritra iny ny fikarohana sy ny fanaovana hazalambo ireo namany sasany.
Tetsy andanin’izay moa, araka ny teny nomen’ireo tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny zandary dia nisy ny vola telo tapitrisa ariary nozaraina tamin’ireo zandary nahasambotra ity lehiben’ny dahalo ity, avy amin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary sy ny Kaomandin’ny zandarimariam-pirenena. « Tsy misy olon-dratsy ho afaka hiery na hisitrika mandrakizay fa tsy maintsy ho sarona ihany, satria betsaka ireo vahoaka mahatoky ny zandarimaria ka mifanakalo vaovao »
m.L