- Publicité -
dimanche, août 17, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversSoamanandrariny : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Soamanandrariny : Jiolahy raindahiny maty voatifitra

Ilay jiolahy voatifitra

Olon-dratsy anisan’ny efa ela nokarohin’ny zandary izy ity, hoy ny fampitam-baovaon’izy ireo, noho ireo fanafihana maro isan-karazany, nandraisany anjara, ary nampitondra faisana olona maro teny amin’iny faritra Ambatomaro, Soamanandrariny, tonga hatreny Ambohimangakely, Amoronakona sy ny manodidina iny. « Sendra nifanena tamin’ny mpaka kitay … » hoy ny zandary ka izao nahazo saran-dalana hody any amin’ny Mandrakizay izao. Andian-jiolahy vao avy nanao ny asa ratsiny izy ireo no nifanenatra tamin’ireo zandary avy etsy amin’ny zana-tobi-paritra Soamanandrariny, tao anaty fisafoana, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata lasa teo. Mbola variana nilonjehitra ireo entana halatra, rembin’izy ireo ny alina no nasain’ireo mpitandro filaminana nijanona. Tsy nanaiky ny hosamborina mora foana anefa ka nivonon-kamaly tamin’ny alalan’ireo fitaovam-piadiana teny am-pelantanany. Raikitra ny fifanenjevoana sy fifampitifiriana. Nanao tari-dositra ireo olon-dratsy rehefa tsy voatohitra ireo zandary, namela ny naman’izy ireo iray naratra, izay tsy afa-nandeha intsony. Tavela niaraka tamin’ny entana halatra sy ireo fitaovam-piadiana nampiasainy ity farany, hoy hatrany ny vaovao. Nezahiana nentina toeram-pitsaboana ihany, saingy tsy tana intsony ny ainy, noho ny fahaverezan-dra be loatra. Tamin’ny fangalàna ny mombamomba azy, no nahitàn’ ireo mpanao fanadihadiana, tamin’ny alalan’ny karam-panondrony fa ilay zalahy io no anisan’ireo tompon’antoka tamin’ireo fanafihana maromaro nitranga teny an-toerana sy ny manodidina taona vitsy lasa izay. Anisan’izany ireo fandrobana cash point sy mpiasan’ny orinasa tambazotran-tserasera iray teny Soamanandrariny sy ny teny Ambatomaro ary fanafihana mpitandro filaminana teny Ankadiefajoro. Ankoatr’izay ny resaka vaky trano sy ny fanendahana isan-karazany, izay mahavoatonona azy sy ny namany. Mbola ao anatin’ny fikarohana ireo mety ho namany sy ireo mpiray tsikombakomba aminy moa ireo zandary eny an-toerana amin’izao. Izy ireo, izay tsy mitsahatra ny manentana hatrany amin’ny alalan’ny fanomezam-baovao azy ireo, ahafahana misambotra ireo mpanao ratsy sy hisian’ny fandriampahelamana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici