- Publicité -
mardi, janvier 20, 2026
AccueilFaits-DiversAnkatso : Jiolahy roa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ankatso : Jiolahy roa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka

Ireo mpangalatra roa lahy voasambotra.

Efa jiolahy hikoizana izy ireo, ary isan’ireo mampitondra faisana ireo mponina, indrindra fa ireo mpianatra eny amin’iny faritra Cité des étudiants, eny Ankatso iny. Ny alahady lasa teo, voasambotra izy ireo. Soa ihany fa tonga haingana ireo mpitandro filaminana ary voasoroka ny fitsaram-bahoaka izay mety nitondra ireto olon-dratsy ireto tany amin’ny varo-tsy mifody. Efa tsy vitsy tokoa no mitaraina amin’ny hafitsok’ireo mpanao hala-botry sy mpangalatra eny an-toerana. Ao anatin’ny hetsika manokana ataon’ny polisim-pirenena amin’ny resaka ady amin’ny tsy fandriampahalemana dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’izy ireo, entina hipaingorana ireo mpanao ratsy eny amin’iny faritra iny. Tamin’izay fotoana izay no nahatratrarana ireo roa lahy efa raindahiny amin’izany asa ratsy izany, ny tolakandron’ny alahady ireto, izay raha ny angom-baovao azo dia saika teo am-panantanterahana ny asa ratsiny izy ireo. Vantany vao fantatra anefa fa tratra izy ireo dia nirohotra avy hatrany ny olona, izay efa leo tanteraka ny resaka tsy fandriampahelamana eny an-toerana ka saika hanao fitsaram-bahoaka an’ireto voasambotra ireto. Efa niainga ny daroka sy vono madinidinika saingy voalaza fa « vokatry ny fandraisan’andraikitra haingana nataon’ny Polisim-pirenena dia voasoroka ny fitsaram-bahoaka izay nokasain’ny olona natao tamin’ireo voarohirohy ». Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany faharoa moa izy ireo, ary notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy. Tsiahivina fa andro alahady tahak’izay ihany koa no nahatratraran’ny olona, tovolahy voalaza fa efa mpangalatra raindahiny teny amin’iny faritra Ambatomaro iny. Ity farany moa izay nitarika tamin’ny fahamoizany ny ainy ny vono nataon’ireo fokonolona azy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter