Dimy izy ireo no efa nihaodihaody tsy lavitra ity toerana fandefasana sy fandraisam-bola ity, ny sabotsy teo, tetsy Anosibe, tsy lavitry ny lalam-by. Nisy nampandre avy hatrany ny pôlisy ary nilatsaka teny an-toerana, fotoana vitsy taorian’izay ny pôlisy avy eo anivon’ny sampan-draharaha miady amin’ny jiolahy mitam-piadiana. Tamin’ny 12 ora antoandro, raikitra ny fifanenjehana. Mazava ho azy, nirongo fitaovam-piadiana rahateo ireto olon-dratsy tamin’io fotoana io. Vao nahita ireto sampana manokana avy eo anivon’ny pôlisy, tonga teny an-toerana izy dimy lahy, avy hatrany dia namoaka ny basy tany amin’izy ireo, handeha hitifitra ireto pôlisy, araka ny fanazavana nomen’ireo mpitandro filaminana. Raikitra ny ankitifitra. Lavo ny roa tamin’ireo olon-dratsy, tafatsoaka tanaty elakelan-trano ary samy nanana ny lalany kosa ireo namany telo lahy. Hatramin’ny hariva, mbola nisy ny fifanenjehana sy ny fanaovana hazalambo azy ireo saingy tsy hita tany nanjavonana ireto jiolahy. Ireo namoy ny ainy kosa, efa navantana avy hatrany etsy amin’ny tranom-patin’ny hôpitaly Hjra, miandry ny fianakaviany.
m.L