- Publicité -
samedi, août 2, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnkadikely : Jiolahy saika hanafika, iray maty, iray azo sambo-belona

Ankadikely : Jiolahy saika hanafika, iray maty, iray azo sambo-belona

Maromaro ihany ireo olon-dratsy nahazo saran-dalana ho an’ny varo-tsy mifody tao anatin’ny andro vitsivitsy izay. Ity nitranga tetsy Ankadikely Avaradrano ity izao iray, omaly maraina. Nifanehatra tamin’ireo zandary teny an-toerana ingahy sy namany, raha mbola teo am-panafihana. Ary izao niafara tamin’ny fahafatesany izao. Raha ny fampitam-baovaon’ny zandary, omaly tokony ho tamin’ny roa ora maraina tany ho any, no nahazo antso ry zareo mahakasika ny fisian’olona miditra an-tsokosoko tao an-tananan’olona. Mazava ho azy, olona miditra an-keriny an-tananan’olona andro amin’ny roa ora maraina izany, azo heverina fa tsy vahiny handeha hamangy azy mianakavy kely velively. Nandray andraikitra avy hatrany ireo zandary ary nanetsika ireo mpanao fisafoana mba hijery akaiky ity zava-mitranga ity. Mbola somokotra loatra teo am-panantaterahana ny asany ireto olon-dratsy ka tsy nahatsikaritra ireto mpitandro filaminana. Vantany vao nahatsikaritra anefa dia ny hamaly avy hatrany no tao an-tsain’izy ireo. Hany ka voatery niaro tena sy nandray fepetra nifanandrify tamin’izay ihany koa ireo zandary. Raikitra ny fifandonana ka lavo ny iray, ary azo sambo-belona ny iray. « Heverina fa mbola misy naman’izy ireo hafa tamin’io fotoana io saingy ny andro maizina rahateo sy ny elakelan-trano, tsy nahafahana nanenjika azy ireo », hoy ny tompon’andraikitry ny zandary teny an-toerana  Marihana fa tsy mbola tafiditra tanteraka tao an-trano ry zalahy ireto, tamin’io fotoana io ary mbola entana teo an-tokotany no azon’izy ireo, tamin’ny fotoana nahatongavan’ny zandary. Izy ireto, na ilay maty voatifitra na ilay azo sambobelona, izay efa jiolahy nikoizana teny amin’iny faritra iny ary tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana eny an-toerana tamin’ny resaka vaky trano, fanendahana sy ny sisa. Ilay iray namoy ny ainy, hoy hatrany ny fanazavana dia efa maromaro ihany no nitsidihany an’Antanimora, raha vao avy nivoaka ny fonja ny volana oktobra lasa teo kosa ilay voasambotra. « Mbola misy ireo namany ary tsy maintsy ezahina izay hanaovana hazalambo azy ireo » hoy hatrany ny fanazavana azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici