- Publicité SW45 -
dimanche, décembre 22, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJiolahy tetsy Mandroseza : Misy gadra tokony mbola ho voasazy any am-ponja

Jiolahy tetsy Mandroseza : Misy gadra tokony mbola ho voasazy any am-ponja

Mitohy hatrany ny fanadihadiana ireo valo lahy izay voasambotra tetsy Andohanimandroseza ny herinandro lasa teo. Isan’ny fantatra ankehitriny fa saika efa nisazy ny antsasany mahery amin’izy ireo. Mbola misy iray kosa tokony mamita sazy kanefa dia iny efa nandray anjara tamin’ny fanomanana fanafihana mitam-piadiana. Eo indrindra no mipetraka ny fanontaniana ary na ny mpitandro ny filaminana aza dia mitady ny valin’izany : ahoana ny fomba nivoahany ny fonja kanefa tsy nisy fahavakisana izany? Tsy tranga voalohany rahateo ny toa izany ka mahatonga ny mpitandro ny filaminana ny mitifitra mahafaty indraindray satria lasa mifankahafantatra ny roa tonta rehefa miverimberina ny fisamborana. Mety hiteraka olana amin’ny fiarovan-tena izany any aoriana noho ny valifaty izay mety hataon’ny jiolahy. Na izany aza raha tena ho lasa lavitra izany ny fanadihadiana dia tokony ho tonga any amin’izay tompon’andraikitra namoaka azy am-ponja ny raharaha, izany dia noho ny firaisana tsikombakomba. Mila dinihin’ny fitsaràna akaiky ny fisian’ireo olona izay tokony mbola misazy kanefa efa miriaria indray manao asaratsy ivelan’ny fonja. Mazava fa ny herin’ny kolikoly no manjaka ao anatin’ny toy izany fa kosa rehefa tratra toy izao ny mpanao ratsy dia mila saziana ny mpiray tsikombakomba aminy mba ho anatry ny hafa izay mety ho ao ambadiky ny fampiasàna gadra mba hanao heloka bevava.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici