- Publicité SW45 -
samedi, juin 29, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJirama Mananara Avaratra : Nipoaka sy kila forehitra ny milina telo amin’ny...

Jirama Mananara Avaratra : Nipoaka sy kila forehitra ny milina telo amin’ny fito mpamokatra herinaratra

Miaina ao anatin’ny tsy fahampiana herinaratra tanteraka ny vahoaka ao Mananara avaratra sy ny manodidina azy, nanomboka ny sabotsy teo, noho ny fipoahan’ireo fitaovana mpamokatra herinaratra any an-toerana, ka nahamay kila forehitra ny milina telo amin’ny fito misy any an-toerana. Efa nahitana olana ireto milina nirehitra ireto, ny zoma alina nifoha  sabotsy 2 jona teo, saingy niezaka ny nanamboatra azy ireo teknisian’ny Jirama any an-toerana nefa tokony  ho tamin’ny 3 ora maraina dia nirefotra izy ireo ka izao niteraka olana goavana amin’ny famatsiana herinaratra izao. Miezaka ny manazava ny zava-misy amin’ny mponina ny Jirama Mananara Avaratra sy ireo tompon’andraikitra any an-toerana nanomboka ny sabotsy niainan’ny mponina ny delestazy indray.Nefa raha ny angom-baovao avy any an-toerana ihany, dia manomboka miakatra ny feo satria saika simba avokoa ireo entana ho an’ireo mpivarotra, tsy mahazo herinaratra afa-tsy adiny roa na adiny telo isaky ny fokontany noho ny delestazy, misy anefa ireo tena tsy mahazo izany mihitsy araka ny fanazavana hatrany. Fotoana izao amin’ny fanoloana ho milina tokana na roa matanjaka amin’izay ny fitaovana famokarana herinaratra ao Mananara avaratra, hoy ireo mahay tsara ny olana misy sedrain’ny Jirama any an-toerana ; satria tao anatin’ny taona maro dia milina madinika  fito no miantoka ny famokarana herinaratra ao Mananara Avaratra, ka mazana miteraka olana lava izany noho ireo fitaovana madinika ireo miasa 24 ora amin’ny 24 ora sy 7 andro amin’ny 7 andro mandavan-taona. Tokony ho efa azo eritreretina ihany koa ho an’ny Jirama ny fananganana famokarana herinaratra azo avy amin’ny rano izao maro ny rian-drano ao Mananara Avaratra. Raha hiverenana anefa ny tantara, dia ny toe-javatra tahaka izao no niteraka sakoroka goavana tany an-toerana noho ny fahafatesan’olona notsaboina nila herinaratra tao amin’ny hopitaly ben’i Mananara Avaratra ; mila mandray fepetra haingana izany ny tale jeneralin’ny Jirama mba tsy hiverina hitranga ny sakoroka any an-toerana, amin’ny fanoloana maika ireto milina may kila forehitra ireto.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici