- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversJirama : Miaka-pofona Analamihitsy sy ny manodidina

Jirama : Miaka-pofona Analamihitsy sy ny manodidina

Nanomboka tamin’ny asabotsy tokony ho tamin’ny roa ora antoandro no tapaka ny herinaratra. Omaly hatramin’ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity dia mbola tsy niverina izany. Analamahitsy tanàna, Analamahitsy cité, Amboditsiry no tena niharan’izany mivantana. Nilaza koa ny mponina tany Alarobia sy ny manodidina ary Ambohitrarahaba sy Sab-Nam, fa tsy nisy herinaratra tamin’ny fotoana mitovy. Izany rehetra izany, dia ankoatry ny tanàna hafa izay tsy voatonona fa kosa re fa tapaka koa ny jiro. « Tsy rariny raha andro iray no tsy misy herinaratra. Mijaly izahay mpanao asa tànana ary hita mivantana amin’ny fidiram-bolanay izany » raha ny fanazavan’ny mpanao volo iray eo an-toerana. Mila jerena akaiky ny fandrindrana ny herinaratra.

T.M

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici