Miditra eo amin’ny toerana misy ny kaontera izy ireo ary milaza fa ajanona avy hatrany ny herinaratra. Rehefa izay dia kitihina koa ny kaontera ary ajanon’izy ireo ny herinaratra. Rehefa manontany ny tompon-trano dia lazaina fa iraka avy amin’ny Jirama izy ireo. Mazava ho azy fa mikorapaka ny olona satria mafy izany tapaka jiro tampoka sy tsy nisy fiomanana izany. Izay no andrasan’ireo mpisoloky ary mandroso fifampiraharahana amin’izay ireo. Toa ny tao amin’ny tokantrano iray dia nangatahin’izy roa lahy vola mitentina 1,6 tapitrisa ariary ny tompon-trano dia averina amin’ny laoniny ny herinaratra. Rehefa nizara ny zava-misy tamin’ny tambajotran-tserasera ilay olona dia maro no nijoro ho vavolombelona fa efa niharan’ny toa izany. Indrindra koa, tao anatin’izao vanim-potoanan’ny fihibohana izao no nahazo vahana io endrika fitakiam-bola tsy manara-dalàna io. Tsy ela dia namaly ny teo anivon’ny Jirama ary nanamarina tokoa ny fisian’ireo mpisoloky ireo. « Misy andian’olona izay misandoka ho mpiasan’ny Jirama ary milaza ny hanao fitsirihana ny kaontera. Rehefa izany dia milaza izy ireo fa mangalatra jiro ilay tokantrano ary mila esorina ny kaontera raha tsy mandoa vola avy hatrany ny tompon-trano » raha araka ny fanambaràn’ny Jirama. Manentana ny olona io orinasam-panjakana io mba ho malina tanteraka rehefa misy ny toy izany, indrindra koa tena misy ny asa ara-dalàna momba ny fitsirihina ataon’ny Jirama ka mety ho tonga amin’ny tokantrano maro ny mpiasa eo anivony. « Na iza na iza milaza ho mpiasan’ny Jirama dia zon’ny mpanjifa ny mitaky ny karatra maha-mpiasa, ny taratasy fanomezan-dàlana hiasa (ordre de mission) ary koa ny kara-panondrom-pirenena an’izay olona tonga ao an-tokantrano ka milaza ho mpiasan’ny Jirama. Raha misy ny fanahiana dia afaka miantso avy hatrany ny laharana maitso 3547 ary mangataka fanamarinana » raha araka ilay fampitam-baovao hatrany. Mahazo vahana ny asa fisolokiana ary mila mailo ny olona, indrindra amin’izay miditra ao an-tokantrano.
D.R