- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversJirama sandoka : Olona roa karohina

Jirama sandoka : Olona roa karohina

Misandoka ho mpiasan’ny Jirama izy ireo ary milaza fa hanao fitsirihina. Mikonokokona kely eo ary mitaky vola amin’ny tompon-trano amin’izay. Soa fa azo sary izy ireo ary koa ny karatra maha-mpiasa izay sandoka sady feno tsipelina diso. Karohina ireo olona ankehitriny. Mbola maro izy ireo no miparitaka ary mitovy hatrany ny fanaony dia ny manery ny olona hanome vola ary mety handroba mihitsy aza raha hitany fa tsy vatan-dehilahy ny trano. Eo no mila fahamailoan’ny tsirairay izay tokony mitaky ny karatra maha-piasa ary mitazona izany mihitsy aza mandram-pandehan’ny mpanao fitsirihina. Torak’izany koa, misy taratasy fanamarinana iraka (ordre de mission) ireo mpiasan’ny Jirama rehefa miasa an-tranon’olona. Na izany aza anjaran’ny Jirama koa ny mampahafantatra ny modelin’izany mba hahafahan’ny mpanjifa mamantatra ny tena izy sy ny sandoka. Zava-doza tanteraka mantsy ny olon-dratsy tafiditra an-trano izany.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici