Tsy tafiditra ary tsy nangataka intsony rahateo ny hiditra ao anatin’ny faritry ny Jirama Soanierana ireo mpanao grevy, omaly. Teo amin’ny sisin’ny arabe izy ireo no naneho ny alahelony sy ny fitakiana mahazatra. Tao anatin’ny kabarin’ny mpitari-tolona ihany koa no nahenoana fa misy roa amin’izy ireo nanaovan’ny mpitandro ny filaminana vava fa hosamborina. Tsy nampihemotra ireo mpigrevy anefa izany, satria izy ireo dia nilaza hatrany fa ao anatin’ny lalàna tanteraka ny hetsika ataon’izy ireo. Ny tapak’andro hariva dia nifampitaona teny Ambohidahy ny intersyndical ary nanazava fa vonona ny hamarana ny fitokonana izy ireo anio, aorian’ny « conseil d’arbitrage », raha toa ka voavaly ny fitakiana sasany. Fitakiana miisa valo amin’ny 25 izay napetraka no tena andrasan’izy ireo amin’ity Filankevitra ity. Isan’izany ny fanamboarana maika ny fitaovana simba amin’ny famatsiana herinaratra ary koa ny fahafahan’ny orinasa Jirama manafatra solika mivantana. Andrasana indray anio ny mety ho valin’izany Filankevitra izany.
D.R