Tanjona napetraky ny tale iraisam-paritry ny jirama eto Toamasina, Atoa Toto Jean de Dieu, tamin’ny nandraisany ny asany valo volana lasa izay, ny fametrahana ny mangaraharaha sy ny fanatonana ny mpanjifa ary ny fihainoana sy ny famahana ny fitarainan’ireo mpanjifa. Isan’ny asa goavana nataon’ny jirama tao anatin’izay valo volana izay ny famahana ny tsy fahazoan’ireo mpangataka kaonteran-jiro ny taona 2012 hatramin’ny taona 2017. Efa tafapetraka avokoa izany ankehitriny ary efa miditra amin’ny fametrahana ireo fangatahana ny taona 2018 izy ireo ankehitriny, ka efa nahazo ny anjara kaonteran-jirony avokoa izao ireo mpangataka nahaloa vola ny volana Janoary sy Febroary ary ny Martsa. Eo am-pametrahana ireo mpangataka ny volana Aprily hatramin’ny volana Jolay indray ny jirama Toamasina izao, izany hoe alohan’ny faran’ny taona dia hahazo ny anjara kaonteran-jirony avokoa ireo nanao izany fangatahana izany tamin’ity taona 2018 ity. Nampahalala ihany koa ny jirama Toamasina, fa na teo aza ny fanakianan’ny olona azy ireo noho ilay hain-trano goavana tao Tanambao V farany teo, fa tsy misy hidirany izany, satria trano tsy misy herinaratra akory no niatombohan’ny afo tamin’iny hain-trano goavana iny. Na izany dia efa vonona ny kaonteran-jiro 50 ho an’ireo nanana ny trano may niaraka tamin’ny kaonterany eo anivon’ny jirama, ka afaka mangataka izany izy ireo raha vao vita ny trano hametrahana ireo kaontera may tamin’ity hain-trano ity. Ankilan’izany, dia efa miezaka manitatra ny ambaindain’ny ny tamban-jotra ny herinarany ny jirama Toamasina, isan’izany ny ao Vohitsara izay naharaisan’ny jirama fangatahan-jiro 70 izao, ny ao Ambalamanasy izay eo an-dalam-pametrahana ireo andrin-jiro ny jirama, ary ny tanana Vohitsara amin’ny lalam-pirenena faha-02 izay efa vonona ny andrin-jiro saingy miandry ny famahana ny olana ara-tany goavana ao an-toerana ny fametrahana azy. Ankoatra izay, dia ho tonga afaka roa herinandro eo anivon’ny seranan-tsambo koa ireo andrin-jiro hazo 800 nafaran’ny jirama avy any Afrika atsimo, tahaka ny nampiasain’Ambatovy, izay maharitra 40 taona ny faharetany noho ireto hazo ireto hafa mihitsy.
Malala Didier