- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversJirama Toamasina : Miditra amin’ny delestazy mihodina, simba ny milina famokarana

Jirama Toamasina : Miditra amin’ny delestazy mihodina, simba ny milina famokarana

Nivoaka tamin’ny fahanginany noho fahasimbana maro hita ao aminy ny talen’ny Jirama Toamasina Rtoa Tsitohery Fancesca Andriamampionona. Araka ny fanambarana nataon’ny Jirama Toamasina dia milina famokarana efatra be izao no simba amin’izao fotoana izao, ka tsy maintsy miditra amin’ny delestazy mihodina izy ireo manomboka izao.

Araka ny fanazavana hatrany dia ny telo amin’ireo milina simba ireo dia eo anivon’ny orinasa “Enelec” mpivarotra herinaratra amin’ny Jirama Toamasina, ny iray kosa dia eo anivon’ny Jirama “Tamatave IV” ao Tanambao Verrerie, ka ity milina ity dia efa nahitana fahasimbana teo aloha izay teknisiana avy any ivelany sy teknisian’ny Jirama no niara-nisalahy nanamboatra azy araka ny fanazavana. Ny fanazavana hatrany no nahalalana fa ny tamban-jotra mampitohy an’i Toamasina renivohitra sy Volobe ao Toamasina II ihany koa tapaka amin’izao noho ny fanamboarana. Vokatra izany rehetra izany dia very 10MW be izay ny tanànan’i Toamasina, satria 06MW ny avy any Volobe tsy tonga, eo koa ireo fitaovana simba tokony hanome 04MW. Ny filana isan’andro anefa eto Toamasina manodidina ny 24MW indrindra amin’ny fotoana fampiasan’ny olona herinaratra. Ny vokatra anefa isan’andro dia manodidina ny 30MW eo, ka ankehitriny tsy manana afa-tsy 20MW eo ny Jirama Toamasina hanomezana fahafaham-po herinaratra ireo mpanjifany. Efa ao anatin’ny fanamboarana tanteraka ireo teknisiana eo anivon’ny Jirama sy ny vahiny eo anivon’ny Enelec manamboatra ny simba, mba ahafahan’ny vahoaka mpanjifa misitra herinaratra toy ny teo aloha indray. Tsy fantatra anefa fotoana fahavitan’izany araka ny fanazavana, fa atao faran’izay haingana ny fanamboarana hoy ny tenin’ny Jirama Toamasina. Ankoatra izay dia miala tsiny amin’ireo mpajifany ny talen’ny Jirama Toamasina vokatra ny zava-misy, indrindra fa ilay delestazy mihodina tsy maintsy ampiharina.

Malala Didier

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici