Tena henjana ny nanjo teto Toamasina ny talata teo, fa tapaka ny jiro ny talata manontolo ny andro io. Vokatra io fahatapahana naharitra be ny talata io dia voatery nidina an-dalam-be ny vahoaka tsy nankasitra izany nandoro kodiarana vao niverina ny herinaratra ho an’ny faritra sasany teto Toamasina. Saika ny ankamaroan’ny fokontany teto Toamasina mihitsy ity nandoro kodiarana ity ny talata alina teo, satria efa henjana be ny tsy fandriampahalemana eto Toamasina ankehitriny. Tao anatin’izay anefa dia namoaka filazana ny Jirama Toamasina mahakasika ny fahatapahan-jiro lava be ity ; ka nambara tamin’izany fa noho ny fikorontanan’ny famatsiana solika mavesatra mampiodina ireo milina mpanome herinaratra no antony hoy ny Jirama. Tsy tafiditra tao anatin’izany anefa ireo faritra saro-pady samy hafa izay vatsian’ny volobe herinaratra eto Toamasina, toy ny hopitaly, ny fonja, ary ireo tranom-panjakana maro.
Amin’izao alarobia izao dia efa miverina amin’ny laoniny ny fahatapahana samy hafa, ary efa saika mandeha avokoa ny herinaratra eto Toamasina. Ankoatra izay dia resaka ara-bola ny antony fikorontanany famatsiana solika mavesatra eto Toamasina ity, satria tsy manaiky hiodina ny tobin-tsolika Enelec raha tsy mahazo io solika io sy voaloha ny ampaham-bola tokony aloha aminy. Miketrika izany ireo tompon’andraikitra samy hafa ara-bolan’ny Jirama ka hinoana fa tsy ho hisy intsony ny fahatapahana izay manetsika zavatra maro eto Toamasina.
Malala Didier
Il y a eu plein de coupures tous les jours depuis mardi, aussi bien le matin, l’après midi que la nuit et cela va sans doute continuer faute d’argent pour payer le fuel lourd, marre de cette mauvaise organisation de la Jirama, cette société d’état ne devrait plus être, tellement il y a de gens malhonnêtes qui y travaillent (surtout à détourner l’argent) la meilleure chose pour Madagascar ce serait qu’une société étrangère s’occupe de la distribution d’énergie, puisque les Malgaches sont incapables de gérer eux même sans détourner l’argent des recettes…