Nanomboka ny sabotsy teo, tsy nifarana raha tsy ny alahady maraina, ny fahatapatapahan’ny herinaratra teto Toamasina. Efa imbalo izany no tapaka ny sabotsy nanomboka tamin’ny 6 ora maraina hatramin’ny 10 ora alina. Tamin’ny 2 ora maraina ny alahady vao tsikaritra fa “papango” nihantona tamin’ny taribin’ny jirama tao Ambolomadinika, Morarano, Tanambao V, Mangarivotra, Mangarano, no niteraka ilay fahatapatapahana.
Tsy nijanona hatreo anefa ny raharaha, satria ilay fahatapatapahana niteraka olana tamin’ny “transformateur” Jirama tao Ambalamanasy manakaiky ny orinasa CTHC, ka voatery nisy koa ny fanoloana izany noho ny fipoahany. Nambaran’ny talen’ny Jirama Toamasina fa miteraka olana goavana amin’ny fitaovana efa antitra tahaka ny eto Toamasina ity ny faharatsian’ny andro tahaka ny nitranga ny sabotsy sy ny alahady teo, izay oram-be tontolo ny andro. Nanao ny ezaka tao anatin’izay ireo teknisian’ny Jirama Toamasina niasa andro aman’alina nisahana ny fahatapatapahana. Misy tambajotra fizarana herinaratra 13 mantsy eto Toamasina, 3km ny fohy indrindra izay tokana ny isany, raha mihoatra ny 9km hatramin’ny 12km ny lava indrindra amin’izany. Nojerana tsirairay avokoa izy rehetra ireo ny sabotsy teo mba hamantarana ny anton’ny fahatapatapahana teo amin’ny herinaratra. Ankilan’izay dia nambaran’ny talen’ny Jirama Toamasina ihany koa fa misy ny fanoloana andrin-jiro miisa 160 amin’ireo 1.500 ilaina. Tsy maintsy vitaina amin’io volana septambra io ny fametrahana izany. Toraka izany koa ireo “transformateurs” miisa 32 ka ao anatin’ny fametrahana azy ny 16 voalohany amin’izao. Manaraka amin’io volana septambra io ny ambiny 16 hafa.
Ankoatra izany dia nanamarika ny Jirama Toamasina, fa ampy sy manana amby amin’ny famokarana herinaratra i Toamasina amin’izao hatramin’ny nahavitana ireo fitaovam-pamokarna simba teo aloha ireo. 32MW ny vokatra misy saingy amin’izao nefa 24MW ny filana eto Toamasina isan’andro, izany hoe manana amby hatramin’ny 08MW ny eto Toamasina amin’izao.
Malala Didier