- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversJirama Toamasina : Tsy ampy 10.000m3 ny rano eto Toamasina

Jirama Toamasina : Tsy ampy 10.000m3 ny rano eto Toamasina

Misedra olona tahaka ny faritra hafa misy ny famatsian’ny Jirama rano ny eto Toamasina, hoy ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina, Rtoa Tsitohery Francesca Andriamampionona. Raha ny famokarana ataon’ny toby mpamokatra ny rano eto Toamasina, ao Farafaty, dia 20.000m3 ny vokatra misy amin’izao fotoana izao. Tsy maharaka ny filan’ny mpanjifa anefa izany, ka maro ireo faritra tsy mahazo rano, na mandeha kely, vokatr’izany, satria mila rano 30.000m3 ny vahoakan’i Toamasina mba haharaka ny filany ny zava-misy. Manana olana anefa ny Jirama vokatr’izany, satria tsy afaka hanome izany ny ranon’i Farafaty, noho ny faharitany ateraky ny hafanana be misy ankehitriny.

Ankilan’izany dia miezaka manome ny lafatra ho an’ny mpanjifa ny Jirama eto Toamasina eo amin’ny lafiny herinaratra ankehitriny. Misy ny ezaka amin’ny fanazavana ny tanàna ataon’ny Jirama, iarahany amin’ny faritra Atsinanana sy ny kaominina ambonivohitra Toamasina. Milaza anefa ny Jirama fa be loatra ny fampidiran-jiro manelingelina (branchement parasite) ataon’ny olona amin’izao. Lasa manimba ny fitaovana eo anivon’ny Jirama ny fisin’izy ireny. Efa fantatry ny Jirama avokoa anefa ireo toerana mpanao izay fampidiran-jiro tsy ara-dalana izany eto Toamasina. Hisy ny fandraisana fepetra momba azy ireny tsy ho ela hoy, ny tale iraisam-paritry ny Jirama Toamasina.

Ankoatra izany dia mihatra manomboka amin’ity volana janoary 2021 ity ilay politikam-panjakana nametrahana ny “OPTIMA” eo anivon’ny Jirama. Misy noho izany ny fanovana ny vidin-jiro sy rano arakaraka ny fandanian’ny tokantrano iray, ka manomboka izao dia tsy roa intsony, “tarif 14” sy “tarif 16”, ny vidiny misy eo anivon’ny Jirama, fa ho lasa “tarif Social” izay 80% ny mpanjifa ao avokoa – “tarif Economique” – “tarif Confort” – ary “tarif Super confort” izay hisy ireo orinasa samihafa. Ho fampitoviana ny saran’ny vidin-jiro sy rano eto amintsika no anton’ity fanovana vidin-jiro sy rano io. Arakaraka ny jiro sy rano lany no mitarika ny vidiny vaovao ireo.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici