- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJIRAMA Toliara : Hanendaka kaontera amin’ireo tsy mandoa faktiora

JIRAMA Toliara : Hanendaka kaontera amin’ireo tsy mandoa faktiora

Volabe mitentina 2,4 miliara ariary no trosa vary mangatsiaka mbola tsy naloan’ireo mpanjifa olon-tsotra amin’ny Jirama Toliara (categorie 10), raha ny nambaran’ny tale iraisam-paritry ny Jirama vaovao ao Toliara, Razafindrahibe Paul, tamin’ny mpanao gazety. « Misy amin’ireo mpanjifa tsotra no tsy nandoa faktiora am-bolany maro, misy roa taona », hoy hatrany ny fanazavany. Noho izany, hialana amin’ny gaboraraka mambotry ity orinasam-panjakana ity dia hisy ny « opération » fanendahana kaontera ho an’izany tsy mahaloa vidin-jiro sy rano manomboka izao, ho fanatsaran-javatra, satria ny mpanjifa mandoa ara-dalàna ihany no lasibatra amin’ny delestazy, izay in-droa mahita ny maizina noho ny tsy fahampian-tsolika. Miezaka ny mpitantana vaovao hampiditra ireo vola ireo ao anaty kitapom-bolam-panjakana.

Eric Man

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser