- Publicité -
dimanche, mai 25, 2025
AccueilFaits-DiversJK Group : Nitangoronan’ny olona indray

JK Group : Nitangoronan’ny olona indray

Efa ho herintaona izao no nivezivezy teo ny olona ary nody maina (sary Yvon Ram).
Efa ho herintaona izao no nivezivezy teo ny olona ary nody maina (sary Yvon Ram).

Tonga maro ireo tsy afa-po ary nitangorona teo anoloan’ny biraon’ny JK Group etsy Antanimena ambany. Ny antony dia saika mitovitovy avokoa. « Tsy voahaja mihitsy ny teny nataon’io orinasa io ary ampivezivezeny fotsiny izahay efa maherin’ny herin-taona izao », hoy ny mpanjifa iray izay niala avy any Toamasina mihitsy ary namonjy teto an-drenivohitra mba hiray hina amin’ireo olon-kafa izay niharan’ny toa azy. Samy nimenomenona teo avokoa izy rehetra ary nilaza fa tena efa tsy rariny intsony ny manjo azy ireo. « Efa tamin’ny volana jiona 2013 ny sasany no nolazaina fa haverina ny entana na ny vola. Hatreto anefa dia mbola nody maina hatrany izy ireo », hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpitangorona. Ny tena olana aza dia nisy nahazo taratasim-bola, izay rehefa nentina tany amin’ny banky dia na tsy ampy ny antom-bola na kaonty tsy fantatra. Vokatr’izany dia ireo olona indray no lasa mandoa ny sazy avy amin’ny banky. Sosotra tanteraka ireo olona omaly ary tonga vetivety foana teny an-toerana ny Emmo-Reg niatrana sao hisy korontana. Toa mainka koa anefa izany nahatezitra ny olona. “Fa angaha izahay mpangalatra”, hoy ny sasany. “Maninona no tsy ny mpisoloky no samborina?” hoy ihany izy ireo maneho ny hatezerany. Ny tompon’andraikitra ara-barotry ny JK Group indray dia nanazava taminay fa efa ampahany kely amin’ireo olona sisa ireo mitokona ireo. “Efa manao izay ho afakay izahay amin’ny famerenana ny vola na ny entana, saingy tsy afaka manao noho ny mety”, hoy izy manazava. Ny antony, raha ny fanazavany, dia noho ny fitsipaham-pitokisana nataon’ny orinasa SH rehefa tsy voaloa ara-dalàna ny volan’izy ireo. Mpanjifa manodidina ny 10.000 manerana ny nosy no voakasik’ity fanonerana ity. “Efa voaverina ny vola na entana ho an’ny 70% amin’izy ireo. Efa eo am-piezahana kosa izahay ny amin’ny ambiny”, raha ny fanazavan’ny talen’ny varotra. Vola amina miliara maro ny resaka eto satria ny solosaina iray dia vidiana 1 tapitrisa ariary. Na azo aloa tsikelikely aza dia efa betsaka ny vola azon’ny JK Group. Mahatalanjona ny maro kosa ny mampahalana azy eo amin’ny famerenana ny volan’olona. Izany rehetra izany dia tazanin’ny fanjakana fotsiny amin’izao…

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser