- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversJly Ramiaramanana Joseph : « Lalan-tsarotra vao tonga « jeneraly » »

Jly Ramiaramanana Joseph : « Lalan-tsarotra vao tonga « jeneraly » »

Anisan’ireo manamboninahitra jeneraly notolorana faneva omaly, tetsy amin’ny CCI Ivato, ny Général de division Ramiaramanana Joseph. Izy no anisan’ireo zokiny tamin’izy ireo. Araka ny fomba fanao miaramila dia izy araka izany no nisolotena ireo namany, nanao ny lahateny fisaorana. « Maro ireo manambonahitra eto anivon’ny Tafika, hoy izy, kanefa vitsy ireo tafakatra eo amin’ny laharan’ny jeneraly, mandram-pahatongan’ny fisotroany ronono. Tsy mora tokoa ny lalana ahatongavana amin’izany. Mila fiezahana, fianarana ary fikirizana. Matoa nomena ny « kintana» dia fantatra fa nahavita sy hahavita izay iraka hampanaovina azy ireo ho an’ny Tanindrazana, ary mendrika ny hitondra izany galona izany eo amin’ny sehatra rehetra ». Raha ny hita teny an-toerana tokoa mantsy dia saika efa mitana andraikitra ambony, na eo anivon’ny Tafika sy ny Zandarimariam-pirenena ireto jeneraly ireto vao notolorana faneva ireto na eo anivon’ny Firenena mihitsy. Ny « général de division » Ramiaramanana Joseph manokana dia fantatry ny rehetra fa mitana ny toerana ny Governoran’ny faritra Bongolava amin’izao, ary tsapa ho nitondra fiovàna tokoa teo amin’izay faritra notantaniny izay. Tsy hadinony ny nanome fisaorana manokana an’Atoa Filoham-pirenena, izay lehibe faratampon’ny Foloalindahy, nanome ireo galona ireo. Torak’izany ihany koa, teny fisaorana ho an’Atoa Ministry ny Fiarovam-pirenena, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ireo mpikambana teo anivon’ny Governemanta, ny Filohan’ny FFM ary ireo parlemantera, ireo manam-pahefana sivily sy miaramila tonga nanome voninahitra ity lanonana ity. Marihana fa ireo manamboninahitra ambony nasondrotra teo amin’ny laharan’ny « général de brigade » sy « général de division » ny taona 2020, ireto notolorana faneva omaly ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici