Soa ihany, mbola teo ilay fitaizana ara-miaramila nandrafitra ity mahery fo ity, tsy nanariany toky sy niadiany mafy tokoa mba ho isan’ny velona, taorian’ny loza mahatsiravina nahazo azy sy ireo namany, omaly tany amin’iny faritra Analanjirofo iny. Roa izy ireo hatreto no fantatra fa avotra soa aman-tsara, ireo namany roa hafa kosa, mbola eo an-dalam-pikarohana.
Tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany hariva teo tokoa mantsy, ny andron’ny alatsinainy dia niharan-doza ny angidim-by nitondra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena niaraka tamin’ny manamboninahitra ambony anankiroa : ny mpanamory sy Talen’ny fiarovana eo anivon’ny Primatiora, ary ny manamboninahitra lefitra iray, mpikirakiraka ny lafiny ara-teknika, raha avy namita iraka, nijery ifotony ny fahavoazana nisy tamin’ny faharendrehan’ny lakam-by iray nitondra mpandeha an-jatony tany Soanierana Ivongo. An-dalana hody hihazo an’i Foulpointe izy ireo, raha ny fanazavana azo no sendra tafio-drivotra tsy nahafahana nibaiko intsony ilay angidim-by. Nianjera sy dobo an-drano ary potika tanteraka izany fitaovana izany tao amin’ny fari-dranomasin’i Mahambo. Omaly tokony ho tamin’ny efatra ora maraina no hitan’ny mpiandriaka ny Jly Serge Gellé, velona soa aman-tsara.
« Tsy nanana « gilet de sauvetage » fa ireo namako teo aloha no nitondra. Ny sezan’ilay mpanamory no niezahako nongotana sy nofikirina tao anaty rano. Nanomboka tamin’izay aho no nilomano, niezaka hamonjy ny moron-dranomasina » hoy izy. Adin’ny roa ambin’ny folo maninjitra no nijanonan’ity tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ny zandary ity tao anaty ranomasina. Nilomanosany, niady tamin’ny hatsiaka ny rano, ny haizina, ny havizanana, ny fitebitebena ny amin’ny hoe ho faty sa ho velona, hohitan’ireo mpamonjy sa tsia, manginy fotsiny ny mety hisian’ny antsantsa sy ireo biby hafa anaty ranomasina any. Azo antoka mantsy fa ny fitopan’ny ranomasina dia vao maika nitondra azy lavitra ny morontsiraka, araka ny nambaran’ireo mpiandriaka namonjy azy. « Tany amin’ny amam-polony kilaometatra mianavaratra teo Mahambo ». Tokony ho tamin’ny efatra ora maraina no hitan’i Zambia mianaka, mpiandriaka any amin’iny faritra iny, izy, efa tena reraka. Tsy mbola avotra teo aza, satria voalazan’ity mpanarato ity fa kely ny lakan’izy mianaka, tsy antonony olona telo. Voatery niverina an-tanety indray ity farany niantso namana ary tamin’ny fito ora maraina teo vao azo lazaina fa avotra soa aman-tsara ny Jly Serge Gellé. Mbola afaka niresaka soa aman-tsara izany lehilahy izany na dia teo aza ny nahazo azy. Nomena fitsaboana teo no ho eo moa izy. Adim-pamantaranandro vitsivitsy taty aoriana ihany koa no avotra ilay manamboninahitra lefitra, rehefa nahita ny lakan’ireo mpiandriaka ihany koa. Nentina niakatra aty an-drenivohitra avy hatrany moa izy roalahy mianaka ireto, omaly hariva, ahazoany fitsaboana sahaza ho azy. « Mino aho fa afaka 24 ora dia hiverina amin’ny heriko aho ary hanohy hatrany ny asako sy ny adidy nampiandraketina ahy. Mitohy hatrany ny « tagnamaron’ny fandriampahalemana » », hoy ny Seg, velom-panentanana, tsy maty fo aman’aina.
m.L





