
Tsy nilaozan’izay tsy nisy lozam-pifamoivoizana ny lalam-pirenena fahefatra na dia teo aza ny fepetra rehetra efa noraisina. Omaly, teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, dia miisa telo no nitranga ary nandratra olona. Vao maraina, manodidina ny tamin’ny dimy ora, no niseho ny lozam-pifamoivoizana voalohany. Teo amin’ny tanàna antsoinahoe Antanambao-Antanilava, raha araka ny fanazavan’ny zandary, no nitranga izany. Mbola teny amin’ny RN4 ihany koa fa teo amin’ny PK31 no nitranga ny lozam-pifamoivoizana faharoa ary izany dia manodidina ny tamin’ny efatra ora sy sasany hariva. Ny farany dia teo amin’ny fokontany Ambalajanakomby. Tamin’ireo loza nifanesy ireo dia nisy mopera miisa roa izay naratra ary koa vehivavy iray hafa. Mba tsy nisy na izany aza ny aina nafoy tao anatin’izany rehetra izany. Fiara miisa 1.500 no niala tao an-tampon-tanànan’i Mahajanga omaly ary nitatitra ireo mpizaika marobe avy namonjy ity fotoan-dehibe ity. Betsaka ny fepetra efa noraisina ary izany dia manodidina ny fanentanana ny tsy handehanana alina ary koa ny fampitomboana ny mpitandro ny filaminana teny amin’ny lalam-pirenena ary farany dia ny fametrahana ny sampana mpamonjy voina. Ny loza anefa tsy mampitandrina, araka ny fiteny.
D.R