- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversJovenna Ambatomainty : Voaroba ny vola 31 tapitrisa ariary

Jovenna Ambatomainty : Voaroba ny vola 31 tapitrisa ariary

Maro ny mpandalo eny amin’ity toerana ity fa tsy nahoan’ireo mpandroba izany.
Maro ny mpandalo eny amin’ity toerana ity fa tsy nahoan’ireo mpandroba izany.

Tsy naharitra iray minitra ny fandrobana dia vita, hoy ireo mpiasa teny an-toerana.

Omaly maraina tamin’ny 8 ora, samy tsy nisy nanampo na inona na inona ny rehetra, no ireny bandy efatra nitondra basy, nanafika ny fiara saika hanaterana vola any amin’ny banky.  Teo amin’ny toby fivarotana lasantsy an’ny Jovenna etsy Ambatomainty no nisehoan’izany. Efa tafiditra tao anaty fiara ny mpamily sy mpanampy azy nitondra ny baoritra nisy ny vola. Avy hatrany dia nofelahan’ireo jiolahy ilay mpamily sady nojejenany sakay . Tsy nahetsika izy. Voambana basy kosa ilay mpanampy ary dia noraisin’ireo mpangalatra mora foana ny vola. Raha vao azon-dry zalahy izany dia ireny izy ireo niala mora nandeha moto roa, ny iray Scooter ary ny faharoa ireny moto lehibe ireny. Efa nampiandrasany teo ireo kodiarandroa ireo. Nihazo ny lalana miakatra an’Anjanahary izy ireo ary dia tsy hita intsony izay nalehany. Ny teo an-toerana indray, efa vitan’ireo mpandroba ny zavatra vao samy nisahotaka. Tamin’io fotoana io, marobe ny olona niandry taxi-be tery am-pita. Samy gaga fotsiny nahita ny fandrobana nisy. Basy PA iray ihany no voalazan’ny maro fa teny amin’ireo jiolahy. Ilay mpamily voahosotra sakay sy voafelaka dia nahitana ratra satria nandeha rà ny vavany ary kofona tanteraka izy. Ankoatra azy, tsy nisy naninona. Teo an-toerana ny “gérant” tamin’io fotoana io ary raha vao nahafantatra izy dia niezaka namelona ny fiarany nanaraka ireo mpangalatra. Rehefa tonga tany Mascar anefa dia niverina fotsiny, satria tsy fantatra izay lalana nomban’ireo jiolahy.

Tsy mba misy ireny mpiambina karamaina ireny ny toby fivarotana lasantsy Jovenna. Taona maro lasa no nisy mpitandro filaminana niandry, ka ny foibe no niantoka azy ireo. Niala tsikelikely anefa izany ary farany dia tsy nisy intsony.

r.s.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser