- Publicité -
vendredi, juillet 4, 2025
AccueilFaits-DiversRN4 : Kamiao niala zazakely nanitsaka olona

RN4 : Kamiao niala zazakely nanitsaka olona

Hatairana ny an’ireo olona tany amin’ny renivohitry ny kaominina ambanivohitra Antsiafabositra, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna, rehefa nahita sy naheno ny zava-nitranga, teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra PK 265+500 ny harivan’ny Zoma 28 Marsa taona 2025 lasa teo iny. Raha ny fampitam-baovao voaray avy any an-toerana hatrany dia fiara kamiao iray mpitatitra vokatra vokarin’ny  » STAR, » izay niainga avy any Antananarivo hihazo any Mahajanga no niala Zazakely niampita arabe, ka lasa nifaoka lehilahy iray nipetraka teo amin’ny sisin-tranony. Vokany: naratra tapa-balahana ilay an-kizy, raha maty tsy tra-drano kosa ilay lehilahy. Ny alin’iny teo ihany no noentina, tao amin’ny hopitalibe Morafenokely eto Maevatanàna an-tampon-tanàna ny naratra mba hanaraka fitsaboana sahaza azy. Efa tonga nanao ny fitsirihana zava-nitranga tany amin’ny tanàna nisehoan’ny loza ny Zandary misahana ny fifamoivoizana aty an-toerana, saingy notanana natao famotorana ny mpamily, ary naiditra ambalam-pamonjana ny fiara kamiao.

Ratantely

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici