- Publicité SW45 -
mercredi, février 5, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMasindray : Kamiao niharan-doza, olona iray maty, telo naratra mafy

Masindray : Kamiao niharan-doza, olona iray maty, telo naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona tao amin’ny Kaominina Masindray, ny andron’ny alahady teo. Fiarabe iray, lany rivotra, no nihemotra ary latsaka teo amin’ny « radié » teo amin’ny tanana antsoina  hoe Antsaharoloha. Nitondra olona ity fiarabe ity tamin’io fotoana io. Vokany, vehivavy lehibe 65 taona no namoy ny ainy vokatry ratra mafy nahazo azy, raha ny telo tamin’ireo olona hafa nentiny kosa no naratra ary voatery nampiakarina haingana taty an-drenivohitra.

Raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitry ny filaminana tao an-toerana dia handeha hamonjy an’i Masindray ireto olona ireto no niteny amin’ilay mpamilin’ilay fiarabe, mpitaona fasika hitondra azy ireo. Toy ny hoe mpiray tanana ihany koa moa dia nampiakatra azy ireo ny mpamily. Noho ny tonga teo amin’io tetezana « radié » io anefa dia sendra olana ara-teknika ilay fiarabe ary tsy tana intsony fa nihemotra. Niafaràny dia latsaka mihitsy. Teo no nahavoa mafy an’ireo olona efatra nentin’ilay fiarabe ary nahatonga ilay fahafatesana.

Omaly tokoa mantsy dia niely ny feo teny an-toerana fa nampiasa kamiao hitaomana olona ny kandidà ho ben’ny tanana iray tany an-toerana, ary io niharan-doza io. Nanamafy anefa hatreto aloha ny mpitandro filaminana fa tsy misy hidirany loatra amin’ity olona voatonona ity ilay loza. Ny tsy fantatra hatreto dia ireo niharan-doza.  « Mbola ao anatin’ny fahoriana sy fitsaboana ireo olona niharan-doza amin’izao ka tsy mbola afaka nanokatra ny fanadihadiana izahay, saingy tsy maintsy hisy izany aoriana. Ilay mpamilin’ilay fiarabe aloha hatreto no nentina natao famotorana sy notanana natao andrimaso avy hatrany, noho ny fandikan-dalàna nataony : nitondra olona tamin’ny kamiao fitondràna entana » araka ny fanazavana nomen’ny Lehiben’ny zana-tobim-paritra ao Masindray.

m.L

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici