- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilÀ lireAnjozorobe : Kamiao nilatsaka tao ambany tetezana

Anjozorobe : Kamiao nilatsaka tao ambany tetezana

Potika tanteraka ny tetezana. Tsy nisy noraisina intsony koa ilay fiarabe. Tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro omaly no niseho ny loza teo amin’ny fokontany Ambohimandroso, tanàna iray eo anivon’ny distrikan’Anjozorobe. Rehefa nojeren’ny zandary akaiky dia ny tetezana izay eo ambonin’ny reniranon’ny Mananta no nirodana vokatry ny fandalovan’ny kamiao izay nitatitra vary akotry nilanja tsy latsaky ny dimy taonina, tokony ho teo amin’ny 15 kilometatra tsy hidirana an’ny tanànan’ny Marovazaha. Soa fa mba tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity. Hatreto dia zavatra roa no heverina ho nitarika ny loza. Voalohany amin’izany ny fahanteran’ilay fotodrafitrasa izay efa tazotazomina amin’ny hazo aza sisa ny ampahany. Manoloana an’izany anefa dia mbola naka risika ihany ny mpamily ary nahasahy niampita ilay tetezana. Nirodana tao ambaniny vokatr’izany ary ny ilany havanana no lasa aloha. Nisy ny fanadihadiana nosokafana ary ankoatry ny lafiny lozam-pifamoivoizana dia nojerena koa ny lafiny fanimbàna fananana iombonana. Efa tena antitra ny fotodrafitrasa maro eto amintsika kanefa tsy manan-tsafidy ny mpampiasa làlana satria tsy maintsy mivezivezy ny vokatra sy ny olona. Toa ireny jerena ireny fotsiny ary handrasana sisa izay hampirodana azy indraindray. Tsiahivina fa misy amin’ny ampahan-ketra no natokana hokojakojana ny fotodrafitrasa sy ny làlana. Voka tsy toko tsy forohana izany saingy ny fitantànana azy no mampanahy. Dia lasa ny mpampiasa lalana hatrany no mizaka ny mafy ary tsy vitan’izany aza fa mbola mety enjehina koa noho ny fanimbàna fananana iombonana aza rehefa mitranga ny loza, indrindra raha nihoatra kely ny lanjan’ny zavatra notaterina.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici