
Ny alahady maraina no nitranga ny loza. Nifandona ny kamiao lehibe roa mpitatitra entana, tokony ho tany amin’ny telo ora sy sasany. Naratra avokoa ny olona tao anatin’ireo ary ny mpamily iray aza dia mbola nosokirina na efa naraina aza ny andro. Tsy nisy aina nafoy tamin’ny fotoana nanoratana saingy nentina haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana avokoa ireo naratra. Tsy an-kijanona mihitsy ny lozam-pifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena tato ho ato. Ao ny fiaran’olon-tsotra, ny mpitatitra olona ary ao koa ny mpitatitra entana. Betsaka ny aina nafoy noho ny lozam-pifampivoizana, indrindra fa tamin’ity fotoanan’ny fialan-tsasatra ity.
D.R.