- Publicité -
mercredi, août 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversKaminina Masindray Avarandrano : Foaram-bonikazo, hanomezana sehatra ny tantsaha

Kaminina Masindray Avarandrano : Foaram-bonikazo, hanomezana sehatra ny tantsaha

Ny kaominina ambanivohitra Masindray Avaradrano dia hikarakara “Foaram-Boninkazo” ny 29 – 30 -31 Oktobra ary ny 01 Novambra 2016 ho avy izao eo amin’ny Tsena Masindray. Nolazain’ny mpikarakara fa ity hetsika ity dia manana tanjona maromaro. Anisan’izany ny  fampisehoana sy fanomezana sehatra ireo tantsaha amin’ny famoahan’ ny vokatra izay mampalaza io faritra io toy ny voninkazo sy ny legioma. Eo koa ny fanentanana ireo zanaka ampielezana  hanjifa ireo voninkazo sy vokatrin’ny tany eny an-toerana rehefa hanome voninahitra ireo havana efa nodimandry sy hitsidika ny tanindrazana satria mifanindry amin’ny fetin’ny maty ireo daty ireo. Ankoatr’ireo varotra fampirantianana voninkazo sy vokatrin’ny tany ,dia  hisy ny fifaninanana Tsipy kanetibe (Triplettes constituées) handraisan’ireo ekipa nasionaly
anjara mba ho fanomanana azy ireo amin’ny fifaninanana erantany izay hatao eto Madagasikara amin’ny volana Desambra. Eo koa ny adin’akoho ary ny fampihaingoana voninkazo ny 29 Oktobra 2016. Tsy diso anjara amin’ity foara ity ny artista kalaza toa an’i Françis Turbo, hanafana ny toerana amin’ny alahady faha-30 oktobra. Ny alatsinainy 31 oktobra sy ny talata voalahan’ny novambra, mbola mitohy ny lanonana izay ahitana fampisehoana, fifaninanana isan-karazany. Eo koa ny tranoevan’ny Société Nouvelle Résidence Masindray izay natao indrindra ho fampahafantarana ny zanaka am-pielezana izay liana amin’izany.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici