- Publicité -
lundi, juin 23, 2025
AccueilFaits-DiversKamiô mpaka fako, nandona fiara am-polony : Tsy mbola hita ny «...

Kamiô mpaka fako, nandona fiara am-polony : Tsy mbola hita ny « papier » sy ny sôfera

« Tena maro tsy tambo isaina ny fitarainana tonga aty aminay mikasika ireny fiarabe mpaka fako ireny », raha ny fanazavana azo avy amin’ny mpitandro filaminana misahana ny lozam-pifamoivoizana. Fiara am-polony maro no nodominina fiarabe iray mpaka fako, tetsy Faravohitra, ny alahady lasa teo, tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro tany ho any. Olana teo amin’ny hisitra no fantatra fa nahavoa ity fiarabe feno fako ity ka nifatratra tany amin’ireo fiara maromaro, tsy latsaky ny folo teny an-toerana. Azo lazaina ho nanana hankingana ihany, na dia izany aza, ny mpamily, nisafidy ny handona ireo fiara nijanona. Ora firavan’ny mpiangona mantsy io fotoana io ka somary be olona ka voatery niala an’izay ilay mpamily. Mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny mikasika ireo zavatra simba, eny fa na ny fitsaboana ireo olona am-polony maro naratra vokatr’ity loza ity. Ireto farany aloha dia samy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy avokoa. Raha ny nambaran’ireo mpitandro filaminana hatrany dia hatreto, mbola tsy tonga any amin’izy ireo ny taratasy mikasika ny fiara. Tsy hita ihany koa ny nalehan’ny mpamily, raha tokony hanaovana fanadihadiana. Raha ny resaka mandeha indray dia toa hoe, efa tapitra tamin’ny volana oktobra lasa teo ny « visite technique »n’ity fiarabe nandona fiara maro ity. Tsy mahagaga araka izany raha niseho tahak’izao ny tsy fahatomombanana eo amin’ilay fiara. Ny hany fantatra ihany koa dia karazan’irony fiaran’olon-tsotra hofain’ny Kaominina irony ity fiarabe ity. Ny tsy hay fotsiny dia hoe, iza araka izany no hiantoka ny fitsaboana ireo naratra sy ireo fiara marobe simba. Tsy vao izao tokoa no nisiana lozam-pifamoivoizana ataon’ireny fiarabe mpaka fako ireny. Maro amin’ireo tompona fiara voa no miraviravy tanana fotsiny. Ny ankabeazany aza dia mbola tratran’ny fandrahonana ihany. Satria ve hoe fiara ampiasain’ny Fanjakana dia manao izay danin’ny kibony ? Etsy andanin’izay, mazàna ireo fiarabe ireo no tsy tomombana akory eo amin’ny lafiny teknika. Manginy fotsiny ny haratsin’ny fiara sy ny tsy fisian’ny taratasy momba azy. Tsy tenenina intsony, araka izany, ny fibahanana sy tsy firaharahina eny an-dalana ka mampiteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Angamba fotoana izao, hijerena manokana ny mikasika azy ireny sy handraisana fepetra matotra, fa efa tena tsy rariny loatra ny mianjady amin’ireo vahoaka madinika. Teny atsipy ho an’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny avy.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser